Ireo sesitany Malagasy tsy mbola nisy tafaverina noho ny antony ara-politika, ny haino aman-jery nakatona tsy mbola nisy novohaina ary vao mainka aza manidy hatrany ny FAT, ireo gadra politika tsy mbola nisy nivoaka.
i Andry Rajoelina manoloana ireo rehetra ireo, araka ny nambaran-dRakotoamboa Jean Louis, filoha nasionalin’ny antoko Teza, hany ka tena mbola ao anaty krizy isika ary dia mihahenjana izany. I Andry Rajoelina no vato misakana tsy hahatanteraka ireo efa nifanarahana ka voarakitra anaty sori-dalana izay efa nivadika ho lalàna, hoy ihany Rakotoamboa Jean Louis. Manampy trotraka ireo, hoy ny Teza ny krizy sosialy sy toekarena. Vokany, tsy hisy fanafodin’izao afa-tsy ny fialan’i Andry Rajoelina ihany, raha ny fanazavany. Raha tsy hiala aza izy, hoy Rakotoamboa dia ny vahoaka indray no hirotsaka an-dalambe hanala azy raha izao zavatra izao no mitohy. Momba ny resaka fifidianana dia manana ny ambarany koa ny Teza. “Loharanona krizy ny fifidianana na mialoha na mandritra na aoriana. Koa aleo aloha jerena manokana mihitsy ny tokony hisiana fitoniana ary trongisina izay vato misakana amin’izany”, hoy ity antoko eo anivon’ny ankolafy Ravalomanana ity. Araka ny fanazavana ihany dia mila mifampiresaka aloha, avy eo mifamela sy mihavana izay vao hirosoana ny fifidianana.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.