Politique

Rakotoamboa Jean Louis Tsy maintsy mifandanja ny fahefana !


  • Alakamisy 24 Novambra 2011

“Ianareo telo mirahalahy, dia ny filoha Ratsiraka, Zafy Albert ary Ravalomanana no ianteheran’ny vahoaka manontolo fa hametraka ny fototra demokratika eto amin’ny firenena”, hoy Rakotoamboa Jean Louis tetsy amin’ny magro omaly.

 Anisan’izany ny fanavaozana ny lalàm-pifidianana sy ny lalàna hifehy ireo antoko politika, ny famoahana ireo gadra politika rehetra sy ny fodian’ireo sesitany politika an-tanindrazana tsy misy fepetra. Nambarany tamin’ireo mpiara-dia aminy fa dia ao anatin’ny tolona tanteraka isika izao ary tsy maintsy misy ihany ny savorovo satria tsy mipetra-potsiny ireo mpifanandrina. Araka ny fanazavany, mba hahazoana mitantana araka ny tokony ho izy dia tsy maintsy mifandanja ny hery sy ny fahefana. Antsojay anefa no ataon-dRajoelina ka mila miara-miasa akaiky ireto filoha telo lahy ary mila miray hina koa ny vahoaka. Tetsy andanin’izany dia nambaran’ingahy Henri Roger Ranaivoson, Chief of Staff tamin’ny fitondrana Ravalomanana fa efa tsy ho ela ny fandresena. Tsy misy mandeha irery fa miara-dia ny ankolafy telo. Nanentana ny vahoaka moa ny tenany mba hanana faharetana sy finoana.
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT