Politique

Rakotoamboa Jean Louis “Tsy hisy fifidianana ho vanona raha tsy mifamela”


  • Zoma 07 Septambra 2012

Raharaha mitana ny sain’ny mpanara-baovao ity resaka tsy fandriampahalemana eto amintsika ity. Samy manana ny handikany ny zava-misy ny tsirairay, ka anisan’izany ny antoko TEZA, amin’ny alalan’ny filoha nasionaliny sady mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Rakotoamboa Jean Louis. Toy izao ny resaka nifanaovan’ny Tia Tanindrazana taminy

 Tia Tanindrazana (T.T) : Mirongatra be ny tsy fandriampahalemana, ny fahitanareo TEZA ny toe-draharaha ?

Rakotoamboa Jean Louis (RJL) : Rehefa tratry ny krizy politika ny firenena iray, indrindra tratry ny ankivy ara-toekarena toa antsika dia mirongatra ho azy ny tsy fandriampahalemana. Ny any ambanivohitra no tena mijafajafa satria ny 75%-n’ny vola miasa eto dia miankina amin’ny any ivelany. Amin’ny ankapobeny dia endrika iray isehoan’ny krizy na an-drenivohitra na ambanivohitra ny tsy fandriampahalemana. Tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fitantanana ireo mpitandro ny filaminana sy ny resaka fandriampahalemana eto amintsika manoloana krizy. Mivangongo aty an-drenivohitra sy amin’ireo lalam-pirenena ireo mpitandron’ny filaminana. Hany ka manjaka ny mpanao ratsy.

TT : Inona no mety ho vahaolana raha ny fandinihanao azy ?
RJL
: Tokony haverina faritana mihitsy ny politika momba ny fiarovana sy ny fandriampahalemana, miainga amin’ny filàna sy ny olana misy eto Madagasikara. Raha ny fahitako azy dia tsy misy ilana miaramila eto satria fandriampahalemana any ambanivohitra, ny eto an-drenivohitra sy ny fiarovana ny sisin-tany sy ny moron-dranomasina no tena ilaina. Eo koa ny resaka famonjena aina rehefa tonga ny loza voajanahary. Tokony halamina araka izay, na ny olona io na ireo fitaovana misy. Ohatra amin’izany, maso lavitra, basy, moto, soavaly ohatra no tokony vidiana fa tsy BRDM hanonganam-panjakana. Lasa miandry toby fotsiny ireo miaramila kanefa eto tsy hisy hanafika akory. Misy toby firy eto an-drenivohitra kanefa raha ireo no aparitaka manerana ny Nosy mba hafahafa kokoa.

TT : Voalaza fa ny minisitry ny fiompiana, izay olonareo TEZA, sady avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, no anisan’ny fototry ny olana amin’ny resaka fanondranana omby ka mampirongatra ny halatra omby amin’izao fotoana izao ?
RJL
: Ny asan’ny ministeran’ny fiompiana dia manatsara ara-teknika sy manampy amin’ny resaka famokarana. Hatreo ihany. Manao izay hahatsara ny vokatra. Efa tamin’ny taona 2002 dia efa nisy didim-pitondrana niraisan’ireo ministera dia ny misahana ny fambolena sy fiompiana, ny atitany, ny foloalindahy, ary ny varotra nandrara ny fanondranana omby, mitondra ny laharana 2525/2002 izany. Tamin’ny 2011 anefa dia navoakan’ny fitondrana FAT indray ny didy vaovao iraisan’ireo ministera nosoniavin’ireo minisitra tamin’ny governemanta Vital ny 20 Jona 2011 manafoana iry didim-pitondrana tamin’ny 2002 ka manome alalana indray ny fanondranana omby. Ny volana aogositra 2012 lasa teo vao naverin’ny minisitra Ihanta Randriamandranto amin’ny laoniny indray, ka voarara ny fanondranana omby nanomboka teo. Aiza no andraikitr’Ihanta Randriamandranto amin’izany ?

TT : Eo amin’ny resaka politika indray, mankaiza marina isika ity ?
RJL
: Mialoha ny hirosoana amin’ny fifidianana dia tokony hipetraka ny fitoniana na ara-politika na ara-tsosialy. Tsy hisy fifidianana vanona, azo antoka sy azo inoana raha tsy mifamela. Ny fianakaviambe iraisam-pirenena tsy hanaiky hoe mbola haharitra ela io krizy io ka miezaka ny manery izy. Izany ohatra no mahatonga ny hoe manana zo hilatsaka daholo ny rehetra. Tsy mitombina mihitsy ilay hoe «ni…ni» fa alefa fotsiny. Tanjon’ny Frantsay sy ireo mpanara-dia azy ny tsy hiverenan-dRavalomanana eo amin’ny fitondrana ka hanao izay faraheriny izy ireo ka mila mitandrina be.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT