Anisan’ireo antoko tsy naharenesam-peo firy ny Teza taorian’ny fahavitan’ny fifidianana sy ny fijoroan’ireo rafitra ao anatin’ny Repoblika fahefatra. Nanatona ny filoha nasionaliny Rakotoamboa Jean Louis ny gazety Tia Tanindrazana. Nisy ny resadresaka nifanaovana taminy.
Tia Tanindrazana (TT) : Nangina tsy naneho hevitra mihitsy ny antoko Teza. Inona no antony ?
Rakotoamboa Jean Louis (RJL) : Ny antoko Teza dia tsy nankasitraka iny fifidianana iny satria natao amboletra sy ankamehana ilay izy. Notanterahana anefa izy iny dia io hitantsika io ny vokany amin’izao fotoana izao. Tsy dia nipetraka araka ny tokony ho izy ny raharaham-pirenena ka izay no antony nampangina. Niezaka niteny ny tsy mahamety azy io ny Teza nefa tsy nohainoana dia aleo ho hita eo ny fandehan’ny toe-draharaha.
TT : Ahoana ny fijerinareo ny toe-draharaha amin’ny ankapobeny ?
RJL : Efa nilaza ny Teza fa tsy mety io Lalàmpanorenana io. Antony roa lehibe no tsy mahamety azy. Voalohany dia momba ny fahefana mpanatanteraka izay lasa roa loha. Eo ny filoham-pirenena izay manana fandaharanasa natolony ny vahoaka ka tokony hanana ekipa izy hanatanteraka izany, tokony hanana fomba fitantanana mazava ihany koa izy. Etsy an-daniny dia misy ihany koa ny praiminisitra izay manana mpibaiko hafa dia ireo parlemantera. Tranga izay mampahatsiahy ny zava-nisy tamin’ny fitantanan’ny profesora Zafy Albert sy ny praiminisitra Francisque Ravony. Tsy nirindra ny fomba fiasa teo anivon’ny mpanatanteraka ka tsy nisy zava-banona teto amin’ny firenena. Tsy mety eto amintsika io rafitra «semi-présidentiel, semi-parlementaire» io. Faharoa dia mavesatra loatra ireo rafi-pitantanana eto Madagasikara izay ahitana ny Fokontany, ny Kaominina, ny Distrika sy ny Faritra ary mbola naverina indray ny Faritany ka tsy zakan’ny firenena mahantra toa antsika izany. Ankoatra ireo dia ao ny Antenimierandoholona, ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana sy ny Antenimieram-pirenena.
TT : Inona ary no tena vahaolana avy amin’ny antoko Teza ?
RJL : Ny tena izy aminay dia aleo ilay antoko miakatra eo amin’ny fitondrana izay manana ny drafi-piarahamonina sy ny paikady hanatanterahana azy io ary manana ekipa sy fomba fitantanana izany hanatontosa izay nifanarahany tamin’ny vahoaka. Raha tsorina dia «Régime présidentiel fort» no mety araka ny fomba fijerinay antoko Teza azy saingy ilaina ny fanaraha-maso avy amin’ny Parlemanta. Io fomba fitantanana io no mety eto Madagasikara, izany hoe ny tena ilaina dia fitantanana maivana. Amin’ny Teza dia ilay fototra demokratika dia ny Lalàmpanorenana, ny lalàna mifehy ny fifidianana ary ny lalàna mifehy ireo antoko politika no tsy mbola ao tsara. Raha tafapetraka tsara ireo toko telo mahamasa-nahandro ireo dia hizotra araka ny tokony ho izy ny demokrasia eto amintsika.
TT : Teny famaranana avy aminao ?
RJL : Ny rafi-pitantanana, ny rafi-pifehezana ary ny rafi-pandaminana no tsy mety eto amin’ny firenena Malagasy ka nahatonga ny tsy fahombiazana teo amin’ny fitondrana nifandimby teto Madagasikara. Ireo no mila jerena akaiky.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.