Kitoatoa ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny, hoy Rakotoamboa Jean Louis, filohan’ny antoko Teza.
Mahakely finoana ny fizotry ny raharaham-pirenena ka sarotra ny hanantena fampandrosoana avy amin’ireo olom-boafidy anjakan’ny vondrona mahaleotena ao amin’ny Antenimieram-pirenena izay sady miovaova fomba fijery no tsy matotra ara-poto-kevitra ary tsy niomana ihany koa amin’ny fomba fitantanana firenena. Ny filohan’ny Repoblika indray dia tsy manana antoko no sady tsy manana ekipa mpanatanteraka ny fandaharanasa nampanantenainy ny vahoaka. Ekena fa manana fahavononana tokoa ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina saingy ilay ekipa mpanatanteraka no lesoka. Vokany, dia lasa fandiovana ho an’ireo olo-meloka sy nanimba ny firenena fotsiny ilay fitondrana mijoro ao anatin’ny Repoblika fahefatra natao amboletra. Amin-dRakotoamboa Jean Louis dia mila miomana sy volavolaina ao anatin’ny antoko politika izany olona hitondra firenena izany ka sady manana drafi-piarahamonina no manana olona mpanatanteraka manomboka any amin’ny faratampony ka hatrany ifotony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.