Politique

Rakotoamboa Jean Louis Horaisintsika ny andraikitra rehefa tsy hanao ny Troika


  • Alarobia 21 Desambra 2011

“Ao anatin’ny tolona hanaboridanana ny FAT eo imason’izao tontonlo izao isika izao. Efa nampiseho ny finiavana ara-politika ary nandeha tamin’ny hitsim-po isika tamin’ny alalan’ny fanasoniavana ny sori-dalana hamoahana an’i Madagasikara amin’ny krizy kanefa hita ankehitriny fa i Andry Rajoelina sy ny tariny no vato misakana ho amin’izany”, hoy Rakotoamboa Jean Louis, filoha nasionalin’ny Teza sady mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita.

 “Miala nenina farany isika amin’ity herinandro ity. Efa nohazavaina tamin’ny Troika fa rehefa tsy handray andraikitra izy dia horaisintsika ny andraikitra”, hoy ihany izy nanoloana ireo mpiara-mitolona etsy amin’ny kianjan’ny Magro omaly. Nambarany fa azo atao ny mampikatso ireo ministera dimy efa eo am-pelatanan’ny ankolafy Ravalomanana. Azo atao koa ny hidinan’ireo ministra dimy ireo miaraka amin’ny mpikambana eo anivon’ny CT sy CST avy amin’ny ankolafy Ravalomanana an-dalambe.

Notsiahiviny koa fa matoa ny firenena mikatso toy izao dia i Frantsa no milalao ny zavatra rehetra ao ambadika na dia mody niteny fa tsy manana olana amin’ny filoha Marc Ravalomanana aza ny Renimalala. Zon’i Frantsa ny miaro ny tombontsoany, araka ny fanazavana saingy tsy ekena ny famotehana ny Malagasy hiarovany izany tombontsoany izany. Raha ny vaovao moa dia nanomboka tamin’ity herinandro ity dia misy miaramila frantsay sy lezionera maro tonga eto. Nambaran’ny filoha nasionalin’ny Teza fa dia eo am-pamolahana ny politika frantsafrika isika izao ka na ho vy na ho vato dia tsy maintsy hilefitra ny Frantsay ary tsy maintsy tafaverina eto ny filoha Ravalomanana ka ny vahoaka 20 tapitrisa no handidy ny hahalany azy hitondra ny firenena.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT