Rahampitso sabotsy 28 aprily 2012 no hanao ilay hetsika lehibe fanaovana tatitra amin'ny vahoaka ny Parlemantera avy ao amin'ny ankolafy Ravalomanana.
an'io no hanambarana ny zava-misy marina eto amin'ny firenena, tahaka ny fampiharana ny tondrozotra, ny asa natao teny amin'ny CT sy ny CST, ny hevitry ny ankolafy Ravalomanana manoloana ny zava-misy amin'izao fotoana.Vahinintsika amin'ity anio ity ny mpikambana ao amin'ny CST avy amin'ny ankolafin'i Dada, Rakotoamboa Jean Louis.
Tia Tanindrazana (TT) : Hikarakara hetsika ianareo rahampitso sabotsy, voalaza fa fiala-nenina izy io. Hita ao amin'ilay taratasy fanentanana koa ny hoe : misy fetrany ny fandeferana. Fa inona marina no tena tianareo hahatongavana ?
Rakotoamboa Jean Louis (RJL) : Faly miarahaba antsika rehetra. Fiala-nenina no
TT : Inona ary aminareo no tena olana tsy nampahomby ilay tetezamita iaraha-mitantana ka mampikatso ny famahana ny krizy ?
RJL: Tsotra be : nanao izay tiany i Andry Rajoelina sy ny forongony. Nodian'izy ireo tsy fantatra ny andininy sasany ao amin'ny tondrozotra, tahaka ny hoe fanokafana ny haino aman-jery nakatona, famoahana ny gadra politika ary fampodiana ny sesitany politika. Tsy misy fitoniana izany anefa eto amin'ny firenena, raha vao tsy tanteraka ireo. Tadidio tsara fa tsy misy fifidianana ho vita izany eto raha tsy tafapetraka ny fitoniana ara-politika sy ara-tsosialy. Amin'ny vanim-potoana tsotra aza, miteraka rombo ny voka-pifidianana ka vao mainka ao anaty krizy, dia asa fotsiny. Fa anisan'ny olana miteraka ny ahiahy tsy hihavanana ihany koa ity resaka boaderozy ity. Mila fantatra ny tena marina amin'io. Rehefa tsy mandray andraikitra ny fahefana mpanatanteraka dia handray ny andraikitray izahay, ka izay no
TT : F'angaha ianareo tao amin'ny Parlemanta tsy mba efa nanadihady sy nanontany ny governemanta ny amin'io resaka boaderozy io ?
RJL : Aleo tsorina eto fa tena tsy mbola mazava aminay mihitsy izy io. Ao anatin'ny tetibolam-panjakana 2012 anie, ka tsy misy vola miditra amin'ny kitapom-bolam-panjakana momba ny fanondranana boaderozy na dia ny Ariary aza e ! Any ivelany anefa, tena malaza be hoe manodidina ny 300 tapitrisa dolara na mety efa mihoatra izany aza ny vola miodina amin'ity trafikana boaderozy ity. Misy resaka kolikoly sy fanadiovam-bola be mihitsy io, kanefa toa tsy hita be ihany izay andraikitra raisin'ny SAMIFIN sy ny Bianco. Ka izay no tokony hanatanterahana ilay fanadihadian'ny Parlemanta (enquête parlementaire).
TT : Mikasa ny hamory olona eny Ambohijatovo ianareo, kanefa toa tsy nangataka fahazoan-dalana ho amin'izany. Ny mpitandro ny filaminana efa nilaza fa ho hentitra, tsy atahorana ve ny mety hisian'ny fifandonana rahampitso sabotsy io ?
RJL : Zonay parlemantera tanteraka ny mamory vahoaka sy manao tatitra amin'izy ireo, ary tsy afaka mibahana anay izany ny mpitandro ny filaminana amin'ny fanatanterahana izany asa izany. Raha no tokony ho izy, aza dia manampy anay handamina ny vahoaka ny Emmo-Reg fa tsy sanatria hanenjika sy hamono azy ireo, indray. Meloka eo anatrehan'ny lalàna ny mpitandro ny filaminana raha toa ka misakana ny Parlemantera hanao ny asany. Izay atidoha nikotrika sy olona nanatanteraka ireny fandrobana tamin'ny 26 janoary 2009 ireny, no tokony hokarohana sy henjehan'ny mpitandro ny filaminana fa tsy ny parlemantera manao tatitra amin'ny vahoaka.
TT : Ahoana kosa ny fahitanao ny fepetra noraisin'ny ministeran'ny serasera tamin'ny onjampeo Free FM sy ny fitoriana mpanao gazety nataon'Atoa Mamy Ravatomanga ?
RJL : Mahalala zavatra, ary efa nanadihady ny mpanao gazety matoa namoaka vaovao iray. Mafonja io resaka boaderozy mahavoatonona ny anaran'Atoa Mamy Ravatomamnga io. Ka izay no nilazako teo hoe ilaina ny fanadihadiana ataona vaomiera manokana eo anivon'ny Parlemanta e ! Dia ho hita eo ny tena marina.
TT : Mitombo isa ankehitriny ny olona sosotra sy tezitra amin'ny filohan'ny tetezamita. Ahoana ny hevitrao momba izay ?
RJL : I Andry Rajoelina no filohan'ny tetezamita. Nanaiky ny tondrozotra izy, odiany fanina anefa ny fanatanterahana ny zavatra voasoratra ao, tahaka ny famoahana ny gadra politika rehetra, ny fampodiana ireo sesitany. Ilaina amin'ny fampitoniana ny fiarahamonina anefa izany. Ka tsy mahagaga raha tezitra aminy ny olona e ! Sady mibaribary fa miha lafo ny vidim-piainana ary tsy mahavita manampy ny vahoaka ny tetezamita, na dia be filaza be aza i Andry Rajoelina.
TT : Teny hamaranana azy ?
RJL : Rahampitso sabotsy ny fotoana, tsy maintsy tanteraka io fihaonana io satria zon'ny vahoaka ny mahalala ny zava-misy momba ny fiainam-pirenena; ary adidinay parlemantera ny mampahafantatra izany. Tsy tokony ho sakana amin'io hetsika io ny mpitandro ny filamianana, mahatoky izahay fa olon-kendry izy ireo. Efa tena nandefitra be mihitsy ny ankolafy Ravalomanana niditra tao amin'ny tetezamita ary nampiseho ny fahavononany hiara-miasa amin'ny ankolafy hafa mba hamaha ny krizy. Niady mafy izahay tafiditra tao anaty tetezamita, saingy vitsy an'isa moa ka tsy afa-nanohitra firy. Ankehitriny anefa tonga ny fotoana hanontaniana ny hevitry ny vahoaka, izay tompon'ny teny farany. Filoha mpitarika ny filoha Marc Ravalomanana, mpanatanteraka izahay mpanao politika, fa ny vahoaka irery ihany no mandidy sy manapaka, ka izay no antony tsy maintsy hieranay aminy mialoha ny handraisana fanapahan-kevitra.
Isaorantsika ny mpikambana ao amin'ny Filankevitra ambonin'ny tetezamita sady filoha nasionalin’ny antoko TEZA, Rakotoamboa Jean Louis, nivahiny teto amin'ny Tia Tanindrazana.
Nangonin'i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.