Mampiseho ny fahalemen’ny fitondrana ankehitriny hiatrika ireo fifidianana lehibe hifandimby ny filana hanova ny fitsipi-dalao, hoy Rakoto Andrianirina Fetison raha naneho ny heviny mahakasika ny hanovana na tsia ny lalàna fototra ankehitriny.
Miharihary ny tsy fahatokiany ny safidin’ny olom-pirenena ka mampitodika azy mankany amin’ny fanodinkodinana ny saina aman’eritreritra. Izany anefa vao mainka manaisotra ny fahamarinan-toerany, hoy ny filoha nasionalin’ny ny Roso ho amin’ny Demokrasia Sosialy (RDS) manohy ny teniny. Nahitsy ny teniny nilaza fa anisan’ny aretina mikiky tsy hain’ny sehatra politika malagasy resena ny filana te hampiasa na hanodinkodina ho amina anton-javatra mandalo ny andrim-pitondrana ka hanimbana ny fenitra sy ny fitsipika tokony hifaharan’ny demokrasia, ny fiodinan’ny fitantanan-draharaha ary ny fampandehanana ny lafiny lalàna. Vokany, mivaona ny fizotry ny demokrasia, hany ka manjavozavo sy mitongilahila ary tsy hay ampiasaina ho amin’ny tombontsoa iombonana sy ny fanasoavana ny olom-pirenena.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.