Politique

Rakoto Andrianiaina Jaona “Tsy misy mpitantana madio izany eto”


  • Talata 10 Aprily 2012

Niarahaba manokana ny filoha Marc Ravalomanana sy ny ankohonany noho ny fetin’ny Paska 2012 ny CT Rakoto Andrianiaina Jaona.

 “Fanantenanay sy fanirianay amin’izao tolona atao izao dia ny hatongavanao eto Madagasikara sy hifankahitanao amin’ny mpitolona rehetra, indrindra ny teo amin’ny kianjan’i Magro Behoririka”, hoy izy. Eo amin’ny toe-draharaha ankapobeny eto amin’ny Nosy ankehitriny dia nanambara ity CT avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ity, fa mila mifamela ny Malagasy fa tsy hifamitaka lava eto. Ny ahatongavana amin’izay, hoy izy, dia mila mifandresy lahatra fa eo amin’ny fiainana tsy misy afa-tsy ny fifampiresahana. Mbola mifandrirotra sy tsy mitovy hevitra anefa ny rehetra hatramin’izao. Ny zava-misy aloha ankehitriny dia efa samy nanao ny sonia ilay tondrozotra iny ny rehetra ka maninona no tsy arahina an-tsakany sy an-davany iny zavatra natao sonia iny ? Tsy miady tsy miady nefa ny kobay an-kelika ihany raha izay no tarafina, hoy ity CT ity.

Ny fiainan’ny sarababem-bahoka efa anaty fahasahiranana tanteraka ka tokony hojerena akaiky ny mikasika izay zavatra izay. Izahay dia mitaky mihitsy fa ny famontsoran-keloka dia tokony ho an’ny olona rehetra, ka aoka tsy hisy intsony ny fanilikilihana olona na amin’inona na amin’ny inona fa izay hatrany no olana nisy teto amin’ity firenena ity. Ka raha mbola tsy tafiditra eto ny filoha Marc Ravalomanana dia mbola hitohy ny krizy ary tsy avy amin’ny ankolafy Ravalomanana na avy amin’ny tenany manokana no hisian’izany krizy izany fa avy amin’ny mpitantana ny tetezamita mihitsy. Marihiko, hoy ny CT Jaona Rakoto Andrianiaina fa raha ny zava-misy niainana tao anatin’izay telo taona farany izay dia tena ambara fa tsy misy mpitantana madio izany eto amin’ity firenena ity ka ny tsara indrindra dia ny mifamela dieny izao tsy hiverenan’ny krizy miverimberina sy lavareny izao foana

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT