Politique

Rakoto Andrianiaina Jaona “Aoka havela ny lonilony samihafa”


  • Talata 03 Janoary 2012

Mirary soa ho an’ny vahoaka malagasy tsivakivolo ny tenako amin’izao taona vaovao izao ary miarahaba manokana ny Filoha Marc Ravalomanana sy ny ankohonany koa nahatratra ity taona 2012 ity, hoy ny CT Rakoto Andrianiaina Jaona.

 Mankahery azy mianakavy ny mpitolona rehetra manerana ny Nosy amin’ny tolona iaraha-manana mbola atrehana ankehitriny. Andriamanitry ny fiadanana anie homba antsika mianakavy. Manainga ny vahoaka rehetra koa aho mba hitandro ny maha Malagasy sy hanana ny fanetren-tena sy haneho fitiavana marina ity tanindrazana iombonana ity, indrindra ny mpanao politika, hoy ihany ity CT ity. Aoka mba hialana amin’izay ny lonilony samihafa ka hiaraka hitantana marina tsy misy fihatsaram-belatsihy an’ity firenena ity ny rehetra fa tena efa ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ny vahoaka tsy mandady harona. Mila ny fitoniana ara-politika. Mba hahatongavana amin’izany anefa dia mila avoaka ireo gadra politika rehetra, sokafana ny haino aman-jery nakatona ary mody ireo sesitany politika toa ny Filoha Marc Ravalomanana.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT