Politique

Rakamisilahy Martial “Nifamaly tamin’ny minisitry ny atitany aho”


  • Talata 27 Martsa 2012

Vita omaly, tany Manakara ny famindram-pahefana teo amin’Atoa isany Rakamisilahy Martial, filohan’ny Faritra Vatovavy Fitovinany teo aloha, sy ny kolonely Mandehatsara Georget, filohan’ny faritra vaovao notendren’ny fitondrana tetezamita.

 34 volana no nitantanako ny Faritra, hoy Rakamisilahy Martial, ary dia sahiko ny miteny fa vita an-tsakany sy an-davany ny asa teto, voaloa ny karaman’ny mpiasa, ary mbola nanam-bola nanatanterahana tetikasa, aza izahay, tahaka ny fanorenana ilay fasan’ny Maherifo, hotokanana ny alakamisy 29 martsa izao. Raha ny fanazavany ihany dia ny fifamaliana nisy teo aminy sy ny minisitry ny atitany, Rakotoarisoa Florent, no antony nanesorana azy tamin’ny toerany. Tany Mananjary no nitrangan’ny fifamaliana, ary mahakasika indrindra ny olan’ireo mpiasan’ny Kaominin’i Manakara izay tsy nandray karama am-bolana. Nilaza ny nanazava ny zava-misy tamin’ny minisitra ingahy Rakamisilahy Martial ary niteny taminy fa tokony hifampiresaka amin’ireo mpiasa ireo izy. Nisafoaka avy hatrany anefa, araka ny fitantarany ingahy minisitra ary nilaza fa tsy mahavita ny asany izany ny filohan’ny Faritra matoa tsy afaka mandamina ny mpiasan’ny Kaominina.

Niakatra ambonimbony ny maripana ary dia nifamaly teo imasom-bahoaka mihitsy moa izy mirahalahy ireto ary samy namoaka teny mahery. Io fifamaliana io no nitarika avy hatrany ny fanesorana ahy tsy ho lehiben’ny Faritra intsony, hoy Rakamisilahy Martial, satria aminy dia manampahefana ny minisitry ny atitany no sady mbola mpitsara Rakotoarisoa Florent ka mora aminy izany manala filohan’ny Faritra izany. Araka ny fantatra ihany koa moa dia niezaka ny niaro ity filohan’ny Faritra Vatovavy Fitovinany teo aloha ity ihany ny minisitry ny fanapariaham-pahefana Ruffine Tsiranana saingy tsy nahovoka firy nanoloana ny minisitry ny atitany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT