Politique

Rakamisilahy Martial Nesorina fa mampisara-bazana an’i Vatovavy Fitovinany


  • Alatsinainy 26 Martsa 2012

Ny disadisa ara-politika fa tsy ny fampandrosoana loatra no nifaninanan’ny lehiben’ny faritra Vatovavy Fitovinany teo aloha Rakamisilahy Martial sy ny PDS-n’ny Manakara teo aloha ihany koa Sileny Alban.

 Nilatsaka ny sazy ho azy mirahalahy ny herinandro lasa satria samy nesorina amin’ny toerany izy ireo. Araka ny fanazavan’ny minisitry ny atitany, Florent Rakotoarisoa, dia rehefa tsy mahafehy ny asany sy ny tarigetran’ny governemanta ary koa hita fa mampisara-bazana ny fihetsika asehon’ny lehiben’ny Faritra dia tsy misalasala ny fanjakana mandray andraikitra”. Ilay resaka fanomezan-dalana ny orinasa sinoa Mainland Mining Ltd hanao asa fitrandrahana fasimainty tao Manakara na dia tsy manana ny fahazoan-dalana avy amin’ny fanjakana foibe akory aza ity farany no raharaha mafana nampihozongozona an-dRakamisilahy Martial. Niharatsy hatrany ny toerany rehefa niditra an-tsehatra nanakiana sady nanozona izay olona miasa na mampiasa ny zanaky ny faritra amin’ny Mainland ny Ampanjaka iray ao Vohipeno.

Manamboninahitra miaramila, ny kolonely Mandehatsara Georget, izay minisitry ny jono sy ny harena an-dranomasina tao amin’ny governemanta Camille Vital, no voatendry ho lehiben’ny Faritra Vatovavy Fitovinany, nasolo an-dRakamisilahy Martial, ity farany izay nitana io andraikitra io nandritra ny telo taona mahery kely. Omaly Alahady no tonga any Manakara ny lehiben’ny Faritra vaovao. Nisy fitsenana manokana nomanin’ny Vahoakan’i Manakara azy. Anio, raha tsy misy ny fiovana no hanaovana ny famindram-pahefana eo aminy sy Rakamisilahy Martial.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT