Politique

Rajoelina sy Rakotovao Ady tsy mety vita


  • Talata 03 Desambra 2019

Nahena 5 miliara ariary eo ny tetibolan’ny Antenimierandoholona, raha niainga tany amin’ny 50 na 40 miliara ariary no najotson’ny fanjakana Rajoelina.

 

Tsy miady varotra izy ireo fa ny fanarahan-dalàna fotsiny no tokony hohajaina. Lalàna ve ny hoe tsy hasiana vola handoavana ny karaman’ny mpiasa ? Atao ahoana izany ireo olona ireo ? Ny lalàna ve dia mamela anao tsy hanome ny vola izay hiasan’ireo loholona?  Raha tonga ny fotoana hoe rava hono, tsy olana fa ataovy anatin’ny fanarahan-dalàna fotsiny. Lasa asarotin’ny mpitondra ilay izy ary lasa velirano ilay fandravana anay ka ilay velirano ve izany ambonin’ny lalàna? Programa izany, fomba fijery ihany izany fa raha ny lalàmpanorenana angamba inoako fa tsy niova, hoy izy. Tamin’ny amboletra saika hatao hanaovana fifidianana lalàmpanorenana handravana ny antenimierandoholona, dia efa nolavin’ny HCC satria “mandat impératif” io izany hoe tsy azo hafohezina na halavaina raha tsy manavao lalàm-panorenana,… Anisan’ny propagandin’ny filoha Rajoelina moa ny hanafoanana io andrim-panjakana io, izay nivadika ho fanenana ho 18 raha 63 no niafarany. Nolazaina izao izahay tamin’ity taona ity hoe hesorina aminareo ilay vola hoentinareo miasa fa hananganana an’izao. Aiza izao izay nitsangana eo ? Hita ao anatin’io tetibola io ve izany ilay fampanantenana izay napetraka sy ny laharam-pahamehana manoloana ny zava-misy ? Tazana ao ve ny fampandehanana ny jiro sy ny rano sa fanamboarana zavatra fantatra fa mbola azo hampandeferina ? Ahoana io loto be tsy araky ny fanjakana io izay tsy eto Antananarivo ihany ? Na izany aza, tsy hoentina amin’ny fo mafana hoe: nakeleziny ny volanay dia tsy hoekenay io, fa hojerena amin’ny saina tony na dia alaim-panahy aza hoe inona no tian’ilay fanjakana hahatongavana hanapotehana ilay andrim-panjakana ? Olombelona ihany koa anefa ny ato, ka ataonao izay mahatezitra amin’ny fanambaniana sy ny fanantsinontsinoavana ilay andrim-panjakan’ny Repoblika. Olombelona no ato fa tsy vato aman-kazo akory ka dia tsy hanana toe-po mihitsy. Fa maninona no atao an’izany ilay andrim-panjakana ? Fa naninona anao io andrim-panjakana io ? Hoy hatrany i Rivo Rakotovao.

Toky R sy Mariginy A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT