Manomboka miteny sy mamaly ny HVM i Andry Rajoelina ankehitriny, ary toa milaza an-kolaka fa vonon-kiady sy tsy hanaiky lembenana intsony manoloana ny enjikenjika isan-karazany mahazo azy sy ny ekipany.
Lonilony efa hatry ny ela no nisy teo amin’ny ekipan’ny HVM sy ny MAPAR ary mitohy mandrak’ankehitriny. Nahatsiaro tena fa voailika sy natao tohatra fiakarana i Andry Rajoelina sy ny ekipany tamin’ny fanohanana an’i Hery Rajaonarimampianina ary mbola iharan’ny enjika isan-karazany ihany koa. Niezaka nangina sy tsy niteny mihitsy i Andry Rajoelina tamin’ny antsojay politika nahazo azy sy ny mpiara-dia aminy. Tsy nahenoam-peo ny tenany manoloana ny fanenjehana an’i Kolonely Lylison, ny nanagadrana an’i Augustin Andriamananoro, ary efa nisy mihitsy aza ny resaka nandeha fa izy tenany no hosamborina.
MIKONONKONONA VALIFATY ?
Mampiahiahy ihany ny fihetsiky ny filohan’ny tetezamita, izay toa efa manomboka sahy sy tena mihantsy ny fitondrana Rajaonarimampianina mihitsy aza. Efa manana kajy manokana ve izy sy ny ekipany ary vonona ny hanohitra sy hamaly faty amin’izay ? Niezaka nangina sy te hamafa ny raharaha 2009 ny tenany mba hanadiovan-tena hahafaha-miatrika ny 2018. Tsikaritra anefa fa mifono hevi-dalina iny resany tamin’ny faran’ny herinandro teo iny. Ny fanjakana HVM etsy an-kilany, mirehareha fatratra amin’ny fahefana sy hery eo am-pelatanany. Tanjona lehibe ny hisakanana ireo kandida atahorany amin’ny 2018, anisany i Andry Rajoelina. Kotrehina mihitsy ny handetika ity filohan’ny tetezamita ity amin’ny lafiny rehetra mba hahatonga azy ho vato kiboribory, re mihitsy aza fa mety hogadraina ny tenany. Toa efa mandrangaranga hery sy vonon-kiady ihany koa anefa ny an-daniny fa tsy hanaiky hotsindriana lava eto. Re ihany koa mantsy fa efa mandrangaranga valifaty i Andry Rajoelina, indrindra raha tanteraky ny HVM ny fanakanana azy tsy ho anisan’ny kandida amin’ny taona 2018.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.