Politique

Rajoelina sy Raharinaivo Nisy nikasa hamono ?


  • Alarobia 17 Aogositra 2011

Basy enina, bala 845 ary fanamiana miaramila. Ny filohan’ny FAT sy ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita no nokasaina hotifirina tamin’ireo fitaovam-piadiana ireo raha araka ny fanazavan’ny lehiben’ny DST, ny kaomisera Nakany Charly omaly.

 Io farany ihany no nanazava fa saika ny voalohan’ny volana septambra ho avy izao no hanatontosana ny «opération». Izany dia mandritry fandalovan’ny kortezy mitondra ny filohan’ny FAT etsy Ankorondrano, aorian’ny fanasoniavany ny sori-dàlana. Basy enina izay basim-borona ny roa, «fusil à pompe» ny iray,  basy “calibre 36” roa ary PA 7.65 mm iray niaraka tamin’ireo bala marobe voalaza etsy ambony no sarona tao amin’ny tranon’ny mpandraharaha iray tao Moramanga. Olona roa no voasambotra tamin’ity raharaha ity. Ny iray amin’io dia efa voatazona am-ponja ao Mahajanga noho ny raharaha hafa. Mbola mitohy ny fikarohana raha araka ny fanazavan’ny lehiben’ny DST. Mampiahiahy ihany ny zava-misy satria isaky ny misy resaka fanasoniavana sori-dalana na fanapahan-kevitra goavana horaisina momba ny raharaham-pirenena na koa amin’ny fivoahana amin’ny krizy dia misy hatrany ny karazan-javatra toa izao. Tsy inona izany fa ny filazana fa misy mitady hifofo ny ain-dRajoelina. Raha zohiana ny zava-misy dia toa ny «filma» efa nandeha ihany...

 

Samy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT