Nasehon’i Andry Rajoelina sy ny vondrona MAPAR tarihany tamin’ny tsy fahatongavan’izy ireo teny Iavoloha nandritra ny lanonana fifampiarahabana ny zoma 6 janoary lasa teo indray fa tsy vonona ny hihavana izy ireo.
Roa taona lasa izay raha natomboka ny resaka fampihavanam-pirenena notarihan’ny FFKM dia efa nitsoaka an-daharana ihany koa i Andry Rajoelina ary tsy nety nanasonia ilay tolo-kevitra 19 pejy, fa hoe tsy mety aminy, hono. Nisy niady sy nifandramatra tsy nisy tahaka an’i Didier ratsiraka sy Marc Ravalomanana fa afaka nifampiresaka ihany izy ireo ary nanaja ny fanasana nomena azy ireo ka tonga teny Iavoloha na dia tsy naharitra ela aza. Henjana ny fanoheran’ny CRN tarihan’i Zafy Albert an’i Marc Ravalomanana nandritra ny 7 taona, namoahana boky mihitsy saingy miresaka izy ireo ankehitriny. Any ivelany indray, niaraha-nahita ny fifanandrinana mavaivay teo amin’i Hillary Clinton sy Donald Trump nandritra ny fampielezan-kevitra tany Etazonia farany teo ary nisy resaka hala-bato mihitsy aza, saingy nilaza ry Clinton mivady fa hanatrika ny lanonana fametrahana an’i Donald Trump ho filoha amin’ny zoma 20 janoary ho avy izao. Tsy misy olombelona mitovy hevitra izany saingy fahendrena ny fahaizana mihaino ny hafa sy mandefitra amin’ny fotoana sasany na dia manana ny foto-kevitra ijoroanao aza ianao. Tsy misy mahavita tena eto fa tsy maintsy mifanampy. Anisan’ny fanampiana ny fanakianana raha manam-bahaolana mahomby kokoa fa raha fanakianana noho ny halako bika tsy tiako tarehy fotsiny tsy mety, ary io no anisan’ny antony mampihisitra ny fandrosoan’i Madagasikara. Be loatra ny tsy mahatsindry fo sy mbola manana ilay kolontsain’ny valifatry eto.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.