Antso ho an'ny mpiray tanindrazana mba hampitsaharana ny krizy sy ny disadisa izay mandrotika ny toekarena sy fiarahamonina Malagasy i Andry Rajoelina nandritra ny famoahaboasany ny Initiative Emergence Madagascar.
Tsy mbola ampy foana ve ireny fanonganam-panjakana ireny ka nampitotongana an'i Madagasikara fa dia hafafy lainga be ny vahoaka izay tena mikorosofahana ? Tsy misy mpandrava mahay manangana izany na tiana na tsy tiana. Mila 50 tapitrisa dolara ny fanatanterhana io vinan’ny filohan`ny tetezamita teo aloha io. Iza avy no mpiara-miombon`antoka ? Inona izany no tambiny sy ny takalony ? Sa fomba ratsin`ny tetezamita no hotohizana ka hivarotra tanindrazana indray ? Maro dia maro ny voka-dratsy sy ny takaitra naterany tamin’ny lafiny maro. Ny lafiny ara-toekarena, ohatra, dia tena niantraika nivantana tamin’ny tokantrano Malagasy maro ireny fanapahana ny fifanarahana AGOA izay mamela malalaka ny zavatra vokarintsika ho any amin’ny tsena amerikanina. Fatiantoka iray lavaka ary vola be no lasa lavenona noho ny hetraketraky ny mpanongam-panjakana. Aiza ho aiza ny fitrandrahana tany Soalala izay nahazoana 100 tapitrisa dolara ? Aiza avy ny vokatra azo tamin`ny fanondranana Terre rare sy andramena ? Tsy hay adinoina ny famatsiana ``Ballast`` na ireny vato miaro sy mitazona ny lalamby ho an`i La Réunion izay niarahana tamin`i Mamy Ravatomanga ary ny fikasana hivarotra rano. Ka mbola firy taona indray vao hiarina ny Malagasy ? Tsy leran'ny fifanenjehana intsony anefa, hoy Atoa Andry Rajoelina fa vahaolana maharitra sy haingana ho an'ny tanindrazana no ilaina fa mijaly ny vahoaka malagasy. Raha zohina tsotra ity IEM ity dia toa hetsika fivarotana tanindrazana manara-penitra ary tompon'andraikitra ry Rajoelina mpanongam-panjakana amin`ny fanapotehana ka hotsarain'ny tantara ny rehetra.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.