Tsy hita popoka indray aloha i Andry Rajoelina taorian’ilay fampahafantarana ilay vina antsoina IEM “Initiative d’Emergence pour Madagascar”. Lany bala sy tapi-dalan-kaleha sahady ve ?
Tsy nisy intsony na famelabelaran-kevitra na fitsidiham-paritra na fivoahana any ivelany ... Mipoitra eny ihany ilay tsy fahamatorana sy famitaham-bahoaka satria na ny fanatanterahana azy aza moa dia nambara fa ho hita miandalana eo. Maro no tsy mahalala sy tsy mahatakatra akory ilay IEM fa nohamamoina fotsiny tamin’ny hoe io Rajoelina, manao resaka lalim-paka tsy natao ho an’ny fari-pahatakaran’ny Malagasy, izay efa tena trotraka sy reraka noho ny famotehana natombony. Ampiasaina ny fomba fiady hoenti-mibaiko sy manetsika ary mamendrofendro ny olona, dia ilay antsoina hoe: “Manipulation de masse” lalan-tsaina hitan’ilay profesora Amerikanina malaza Noam Chomsky, ka ny voatoatin’io dia ny hoe: Mamorona olana, toa ireny fanonganam-panjakana sy famotehana firenena nataony ireny. Avy eo mody mamendrofendro, toy ny filazana fa mahantra indrindra eran-tany isika. Mody milaza sy mampanantena vahaolana avy eo hoe tsy havelatsika ho fadiranovana intsony i Madagasikara, ary tahaka ny olom-baovao, kanefa mpamotika. Nosokajian’izao tontolo izao ho olon-doza mpanongam-panjakana na “putschiste”, ary mpitondra tsy misy kalitao na “sans qualité” izy sy ny ekipany. Tsy adala ny sehatra iraisam-pirenena nanameloka azy, ka novoizin-dRajoelina ny hoe : “Noesorina tamintsika ny fanampiana, noesorina tamintsika ny famantsiam-bola, noesorina tamintsika hatramin'ny fankatoavana, fa misy zavatra tsy azo esorina amintsika Malagasy, dia ny fitiavan-tanindrazana izany”. Nireharehana fatratra ny hoe tsy nila fanampiana avy any ivelany, saingy izao dia milaza fa nitety sy hitety izao tontolo izao mitady izay hahasoa ny firenena, hono ! Fatoran’ny vava nataony ! Mitohy ny fitaka sy ny lainga hoenti-mametsy ny Malagasy. Tsy mbola voafafa aloha ny ngidin’ny famotehana nataon-dRajoelina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.