Politique

Rajoelina sy ny IEM Miandry asa tena mivaingana ny vahoaka


  • Alatsinainy 20 Janoary 2020

Herintaona omaly, 19 janoary 2020, no nanaovan’ ny filoha Rajoelina fianianana teny amin’ ny kianjaben’ i Mahamasina ka nitondrany ny firenena.

 

 

Nisy ny zavatra nety ary eo ihany koa ny ilàna ezaka amin’ ny fanatsarana sy fampitomboana vokatra.  Azo lazaina efa manomboka ireo vava asa, izany hoe asa voalazan’ ny velirano 13 izay noraketina tamin’ ny PGE. Ny Tanà-Masoandro akory tsy mijanona fa mandroso satria miroso tsikelikely amin’ ny fividianana ny tany izay voakasika amin’  ily tetikasa ny fanjakana amin’ny fanotorana sy fandravana ary ny famindrana mponina eny Ambohitrimanjaka. Nampitomboina isa ny fanamboarana tohadrano hanondrahana tanimbary sy lemaka entina hanatsarana ny fambolena. Efa an-dalanany fanamboarana ny RN5, RN 44. Teo ihany koa ny fanarenana ny lalana tamin’ny reivohim-paritany. Ny fanaovana ny « comptoire de l’ or » mba tsy hampihendanja ny volantsika.  Nidina ifotony  ny Filoha Rajoelina ahafahany mahita ny manahirana ny olona indrindra eo amin’ ny lafiny sosialy. Marina tokoa fa herintaona izao no niasa ny fitondrana ary hita ireo ezaka sy fahavononana entiny. Toy ny fampitaovana ny foloalindahy, ny fikarakarana ny fanatanjahantena, ny fikarakarana ny mpiasa any ivelany, ny fandraisana andraikitra momba ny karaman’ ny tsy miankina sy ny fidiran’ ny mpiasa CNaPS. Tsy misy fiantraikany mivantana any amin’ny vahoaka anefa ny ezaka hatreto aloha. Mbola mampitaraina ny maro ny tsy fandriampahalemana, ny kolikoly isan-tsehatra; ny olana eo amin’ny resaka fananan-tany. Ny ao amin’ny fitsarana moa mba efa miezaka ihany hamerina ny fitokisan’ny vahoaka aminy saingy tena mbola lavitr’ezaka ny asa. Ny fifidianana dia hita ireny vokatra tamin’ ny fahavitsian’ ny mpifidy ireny. Raha mijery izay herintaona izay dia tsy mora tokoa ny mitondra firenena,  tsy arakarak’ ilay kabary tamin’ ny fampielezan-kevitra izay mampanofinofy izay tsy mandinika tsara fa hoe ho vita ao anatin’  ny indray mipi-maso avokoa ny zava-drehetra. Fametrahana ny rafitra iasana no hita fa tena nimasoan’ny fitondana Rajoelina tao anatin’izay herintaona izao ary mifandraika amin’izay ny ampahany betsaka tamin’ny fanapahan-kevitra noraisina.Misy ny lalàna tsy maintsy nahitsy na noforonona mihitsy. Ankehitriny io miantso manam-pahaizana hifanome tanana aminy io ny fitondram-panjakana; efa miandry asa mivaingana hita maso amin’izay ny olona satria mihevitra fa ampy niomanana kosa angamba ny 12 volana e.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT