Politique

Rajoelina sy ny ekipany Mifanilika sy miady an-trano…


  • Sabotsy 02 Martsa 2019

Nailik’i Andry Rajoelina na lasa anjorom-bala ny ekipa sasany tena nanohana azy.

 

 Misy ireo malahelo. Izay mihitsy anefa ny politika eto. Misy ny ekipa mpitolona, ao ny mpanao propagandy, dia misy ireo mahazo seza avy eo ary tsy ilaozan’izay mety ho very toerana sy tsy mahazo seza. Diavolan-ko lava, kilalao mbola ho ela anefa ny 5 taona ka asa na mba asaina mandefitra aloha ny sasany fa ampifandimbiasina eo ihany. Mety miseho ihany koa anefa ny ady mangatsiaka anatiny satria mba samy te hahazo tombontsoa, ka misy ny mahay mampiresaka sy mamendrofendro ilay filoha. Mety ho teraka eo ny fifanilihana sy fifaminganana eo amin’ny samy niara-dia tamin-dRajoelina. Tsikaritra io amin’ny endrika fifanontsanana sy fifanaratsiana mivantana na an-kolaka eo amin’ny mpanao gazety samy nanohana an-dRajoelina, saingy misy ny nomena toerana ary misy no mety mahatsapa fa somary anjorom-bala. Efa mandeha amin’ny serasera ihany koa ny endrika fanaratsiana ny olona avy ao anatiny, toy ny mpandraharaha iray nahazo tsenan’asa tamin’ny fananganana fotodrafitrasa tamin’ny tetezamita izay manomboka haratsiana an-gazety. Mety avy ao anatiny ao ihany no manome ny toromarika. Ao ny mivoy fa tandindonin-doza i Andry Rajoelina. Rehefa jerena dia ny ao anaty fanjakana ihany no mety ahiana hanipy hoditrak’andro amin’io satria raha jerena ny zava-misy ara-politika ankehitriny, mangina ireo sokajiana ho mpanohitra na miomana amin’ny fifidianana solombavambahoaka aza. Misy ny mpanakanto iray voalaza fa efa tena niketrika mafy tamin’ireny fampielezan-kevitra ireny, saingy tratry ny ankilabao tamin’ny ora farany, ary tsy hay na mbola hatolotra sy hotohanan’ny antoko. Minisitra iray teo aloha avy any amin’iny faritra Amoron’i Mania iny ihany koa no tsy mbola fantatra izay hiafarany hatreto satria ratsy ny vokatra azon-dRajoelina tamin’ny toerana niaviany ka hatreto tsy mbola nomena toerana. Asa na mbola harotsaka hitondra ny lokon’ny antoko amin’ny fifidianana na tsia. Ireo mpamadika palitao avy amin’ny antoko hafa lasa nanohana an-dRajoelina aloha, dia maro no miandry . Ao aza no mety hohenjehina sy hogadraina satria mitady fialokalofana noho ny afera natao nandritra ny fanjakana teo aloha.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT