Politique

Rajoelina sy Ntsay Tsy mifankahazo intsony ?


  • Talata 09 Aprily 2019

Rehefa mianjady olana eto amin`ny firenena, tonga mijery ifotony izany ny vahoaka Malagasy ny praiminisitra Ntsay Christian.

 

 


 Ny 6 aprily lasa teo dia nijery indrindra amin’ny fisian’ny tsy fandriampahalemana tany Ambatofinandrahana, Manandriana ary Ambositra. Manome toromarika mazava amin`ireo tompon’andraikitra any an-toerana. Raha vantanina, hita mitety faritra  noho ny filoham-pirenena sy ny minisitra ny praiminisitra Ntsay Christian. Mitsidika faritra, misafo.tampoka bar sy karaoke amin`ny alina. Ohatra ihany koa ny olana teo anivon`ny JIRAMA Antalaha sy Farafangana ary misy hatrany ny vahaolana. Mamory haingana lehiben`ny distrika sy prefe rehefa misy fanapahan-kevitra mila raisina. Mahitsy fitenenana, mampitandrina isan-kerinandro.ireo olona ambony sy mpiasam-panjakana manao kolikoly. To teny eo anivon'ny mpitandro ny filaminana. Sahy namerina ny takela mena sy nanafoana ny fiarana manampahefana mpanao hitsin-dalana. Hentitra ny fepetra raisin` ny praiminisitra ary tena miroso ho any amin`ny fanovana. Tsara resaka amin`ny mpiara-miombon`antoka sy ireo mpamatsy vola. Noho ireo, tsy azoazon'ireo olona akaiky an` ny filoha Rajoelina ny praiminisitra Ntsay kanefa tsy hita izay hanaovana azy satria efa natolotra ary nekena. Raha ny zava-misy, ny praiministra Ntsay no tena misongadina any anaty raharaham-panjakana, hany ka lasa mihena ny fahefan'ny minisitra sasany nihevitra ny ho sefo deba. Ny praiministra no malaza fa masiaka sy inoan'ny olona teny kokoa, indrindra any amin` ny faritra. Raha ny fantatra, misy efa miketrika fa vao mahazo maro an`isa eny Tsimbazaza eny ny Mapar sy ny IRD dia ny fanoloana ny praiminisitra Ntsay Christian no laharampahamehana lehibe indrindra, izay vao miditra amin`ny IEM.Re fa efa miha mangatsiaka ihany koa ny fifandraisana eo amin’ny filohan’ny repoblika sy ny praiminisitra, ary azo itarafana izany ny serasera zarain’ny fiadidiana ny repoblika sy ny fiadidiana ny praiminisitra izay misy fotoana toa mifanitsaka izany.Tsy milamina ny ao ambonimbony ao e !

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT