Politique

Rajoelina sy Ntsay Lasa sakay sy maso ?


  • Alarobia 30 Oktobra 2019

Tsy mety intsony ve ny fifandraisan`Iavoloha sy Mahazoarivo ?

 

 

 

Manomboka tsapa ny ady mangatsiaka eo amin`ny Filoha Rajoelina sy ny Praiministra Ntsay. Porofon`izany, omaly ny praiministra Ntsay Christian vao nandrenesam-peo momba ireo krizy niseho teto amin`ny firenena am-bolana maro izay. Ny praiminisitra anefa no tomponandraikitra voalohany amin`ny fanatanterahana ny politikam-panjakana fa tsy ny filoham-pirenena. Inona no tena mitranga amin`ny roa tonta. Efa resaka be any anaty etamazaoro politika isan-karazany fa  i Ntsay Christian no tsara fifandraisana kokoa amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, zavatra tsy atao mahagaga satria izy avy tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny OIT Ranomasimbe Indianina izy. Nanatrika ny fivorian’ny firenena mikambana tamin`ny volana septambra lasa teo tany New York izy raha toa ka tsy nankany ny filoha Rajoelina, tsy fantatra hoe nisy antony tena lehibe tsy maintsy nijanona ny teto Madagasikara ve sa sanatria tsy voaasa mihitsy ? Nihaona manokana tamin`ny filoham-pirenena frantsay Emmanuel Macron tatsy amin`ny nosy La Reunion koa ny praiminisitra ny herinandro lasa teo.

Fomba fiasa tsy mitovy

Atoa Rajoelina sy ny Mapar ihany anefa no nisafidy sy nanendry azy taorian`ny olana politika tamin’ny 2018. Ny 05 jona 2018 no tapitra ny fe-potoana nomen`ny HCC tamin`ny fitondrana tamin`izany amin`ny tokony hitsaharan`ny asan`ny praiministra sy ny governemanta notarihiny. Niroso tamin`ny fanendrena ny ho mpitantana vaovao, araka ny voalazan`ny lalàmpanorenana, and. faha 54 sy miainga koa amin`ny nambara fa fifanarahana politika. Notendrena ho praiministra lehiben`ny governemanta i Ntsay Christian ary anisan`ireo anarana telo natolotry ny Mapar ankoatra ny lisitra faharoa. Na dia i Andry Rajoelina sy ny MAPAR aza no voalaza fa nanolotra azy, dia hita hoe miezaka ny tsy ho voasaringotry ny politika loatra ny Praiministra Christian Ntsay. Somary mifanohitra aloha ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra amin`ny fomba fiasa sy fomba fisainana. Ny Filoha Andry Rajoelina dia manofinofy lava, mampanantena zavatra maro be. Ingahy praiminisitra kosa dia mahitsy sy manaraka lamina ny zavatra rehetra ataony ary anisan’ny olona tena hentitra amin’ny fanaraha-maso sy ny fanaovana tomban’ezaka ary tsy misalasala manasazy. Io fomba fiasa io ve no fototry ny olana, sa zavatra hafa mihitsy ? Ny zavatra navelan’ny tantara hatramin’izay moa dia matetika lasa kandida filoham-pirenena foana ny praiminisitra…mety efa izany koa ve ny kajikajy mandeha ankehitriny sa ahoana marina ?

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT