Mihazakazaka ny fandehan’ny raharaham-pirenena, indrindra taorian’ny fisesin’ny taratasin’ny minisitra lefitra afrikanina tatsimo, Marius Fransman, mitarika ny iraky ny Troika handamina izao krizy izao, ny zoma 18 novambra, narahin’ny an’ny filohan’ny Vaomiera Afrikanina, Jean Ping, ny sabotsy 19 novambra, manery ny mpanao politika Malagasy hahita marimaritra iraisana hahafahana manangana haingana ny governemanta.
Totoafo ny fifanatonana ny faran’ny herinandro iny, toy ny nitranga teny amin’ny “Villa La Franchise”, trano fonenan’ny profesora Zafy ny sabotsy teo, nahitana ny Mandan’ny Fanoherana, misy ny ankolafy Zafy, Ankolafy Ravalomanana ary ny Monima, ny masoivohon’i Afrika Atsimo ary ny praiminisitra. Tsy nisy nipika ny dinika, saingy azo antoka fa manodidina ny fananganana governemanta ny resaka. Ary dia miezaka ny manambitamby ny mpanohitra ny FAT na teo aza ny kabary, miendrika fandrahonana nataon’i Andry Rajoelina ny alin’ny sabotsy teo, fa handray fanapahan-kevitra ny tenany sy ny praiminisitra ka hatsangana ato anatin’ny fotoana fohy ny governemanta fa efa kenda roroka ny vahoaka sy ny firenena. Mandeha ny resaka fa mety ho anio alatsinainy 21 novambra, misandratra andro no hanambarana izany governemanta izany.
Raha ny resaka, tsy ofisialy, nandeha hatry ny halina, dia hisy mpikambana 31 ity governemanta kasain’i Andry Rajoelina sy ny praiminisitra Beriziky hajoro ity, ka samy manana ministera 5 avy ireo ankolafy lehibe ary 2 avy ny an’ireo antoko madinika. Araka ny loharanom-baovao dia, 12 ny ministera homena ny mpanohitra raha 17 no notadiaviny, ka 5 avy ny an’ny ankolafy Ravalomanana sy Zafy Albert, ary ny ambiny an’ny Monima/Uamad. Ministera 9 kosa no voalaza fa an’ny UDR-C sy ny TGV. Ny 10 ambiny an’ireo vondrona politika mpanao sonia ambiny, ahitana ny Arema Vaovao Benjamin, HPM, MDM, Escopol ary ny Les AS, izay efa mpiara-dia sy mpanohana an’i Andry Rajoelina hatrany am-piandohana. Raha ny fantatra dia tsy hanaiky io fizarana io ny Mandan’ny Fanoherana, satria sady mitanila no tsy mifandanja ary tsy hiatrika izany fananganana governemanta izany raha ho tanteraka ihany. Ny Troika koa etsy andaniny dia fantatra fa tsy manaiky ny fanapahan-kevitra mandeha ila mihitsy fa tsy maintsy tenierana ny fananganana ny rafitry ny tetezamita.
Lavin’ny Mandan’ny Fanoherana ihany koa ny fikasan’i Andry Rajoelina hibodo ireo ministeran’ny fiandrianam-pirenena ahitana ny vola, fitsarana, raharaham-bahiny, fiarovana ary ny atitany. Manamafy moa ny avy amin’ny ankolafy Ravalomanana fa efa fandeferana lehibe no nataony tamin’ny nanekena mpanongam-panjakana hitondra ny tetezamita, na mandà izany aza ny fifanarahana iraisam-pirenena nankatoavin’i Madagasikara teo anivon’ny Firenena Mikambana sy ny Vondrona Afrikanina, toy ny fifanarahan’i Cotonou. Koa takiany ny hisian’ny fifandanjam-pahefana avy amin’ny fifampizarana ireo ministera, ambara fa goavana ireo. Tsy nahavita nandamina an’izay anefa raha ny fahitana ny praiminisitra Omer Beriziky, fa toa mihodinkodina manoloana ny fanerena sy fizirizirian’i Andry Rajoelina. Ny vahoaka anefa miha sahirana, ny vidin-kanina miakatra isan'andro, ny asan-jiolahy koa mirongatra andro aman’alina mila tsy ho azo iainana. Ny loza aza dia mbola nilaza ihany koa ny minisitry ny angovo teo aloha fa tsy azo ihodivirana ny fiakaran'ny vidin-jiro.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.