Politique

Rajoelina nihorakorahan’ny olona Efa fambara ratsy ho an’ny fitondrana…


  • Alakamisy 30 Janoary 2020

Tratry ny horakakoraka sy ny siotsiokan’ny olona ny kortezy nitondra ny filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly, raha nandalo teny amin’iny faritra Mahazo iny.

 

 

 

Nifanandrify indrindra tamin’ny fotoana nanesoran’ny mpitandro ny filaminana ireo mpivarotra amoron-dalana rahateo no nandalo izy. Tsy nanan-tahotra ireo miaramila ny olona fa nanana fahasahiana. Asa na tsaroan’ny olona ilay kabary nataony nandritra ny propagandy tamin’ny fifidianana filoha ny 03 novambra 2018 hoe: “mbola hoekentsika ve ny fanilikilihana ny mpivarotra amoron-dàlana ?”. Fotoana somary nampamaivay ny fampanarahan-dàlana nataon’ny mpitantana ny kaominina tamin’izany io, saingy toa nomena rariny sy nalaina ny fon’ireo mpivarotra amoron-dalana mba hakana ny fony tamin’izany. Ankehitriny, samy mahalala sy mahatsapa ny rehetra fa ilaina ary mitera-bokatsoa ho an’ny maro ny fanadiovana sy fampanarahan-dalàna. Efa fambara politika izao, ary tsy dia mbola fahita firy teto amin’ny firenena ny filoha nitondra herintaona monja, izay lany tamin’ny fifidianana demokratika no tratry ny horakoraka tahaka izao. Misy hafatra miantefa aminy ireny, ary fambara politika sy sosialy maneho fa misy zavatra marary ny olona, ary efa asehony mivantana. Tsy resaka varotra amoron-dàlana fotsiny io fa tena mahantra sy sahirana ny vahoaka. Mitotongana ny fari-piainany, saingy izay ambara fa fampandrosoana aloha tsy tsapany sy tsy misy vokany aminy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT