Politique

Rajoelina kandida Nandiso fanantenana an’i Frantsa


  • Talata 07 Mey 2013

Naneho ny heviny i Frantsa, taorian’ny namoahan’ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana na CES.

 Nilaza izy fa diso fanantenana tamin’ny naneken’ny CES ny antontan-taratasy filatsahan-kofidian’i Andry Rajoelina amin’ny fifidianana filoham-pirenena hatao eto Madagasikara, toy izany koa ny an-dRamatoa Lalao Ravalomanana sy Didier Ratsiraka. Ny filatsahan-kofidian’i Andry Rajoelina, hoy ny fanambarana tamin’ny alalan’ny lefitry ny mpitondra tenin’ny Quai d'Orsay na ny ministeran’ny raharaham-bahiny frantsay, dia mandrava ny fanapahan-kevitra nataony ary nambarany ho ren-tany ren-danitra ny 15 janoary 2013 fa tsy hirotsaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny tenany araka ny toromariky ny SADC. Miombon-kevitra amin’ny fahadisoam-panantenan’ny SADC izay nambaran’ny filoha tanzanianina, Jakaya Kikwete ny Frantsay, hoy ny fanambarana, ka miantso ny mpanao politika malagasy hanaja ny teniny sy ny fanapahan-kevitra noraisiny teo anatrehan’ny SADC. Nanamafy ny Frantsay fa manohana izay hahombiazan’ny tondrozotra, hamoahana an’i Madagasikara amin’ny krizy.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT