Politique

Rajoelina – Hajo Hifamingana anatiny


  • Zoma 25 Oktobra 2019

Manomboka mifampiahiahy ireo samy mpomba an’i Andry Rajoelina sy ireo mpanajary ny IEM (Initiative pour l'Emergence de Madagascar).

 

 

 

Efa vaky vava aza ny sasany raha ny heno amin’ny fanehoan-kevitra mivantana amin’ny radio tsy miankina sasany eto an-drenivohitra fa toa avy ao anatiny ihany no hamingana ity fitondrana ity. Nanao basy atifi-kavana tamin’ny fanambarana nataony tao amin’ny pejy fesibokiny i Andry Ratsivahiny, solombavam-bahoaka IRD voafidy tao Antananarivo Atsimondrano, mitsaingoka an’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Ntsay Christian « hanazava ny zava-misy : jiro tapaka, ny rano tsy misy, ny solika tsy misy tampoka » fa « manjary ny miahiahy ny olona », ary «esory izay tompon' andraikitra tsy mahavita !», hoy izy. Ny tranga niseho tato anatin’ny herinandro ihany koa toa fambara fa marisarisa ny fiarahamonina eo amin’ny samy tompom-pahefana mpanatanteraka. Nanamarika ny mpanara-baovao fa tsy tazana tampoka eny an-kianja ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy Hajo Andrianainarivelo, tamin’ireo vava asa samihafa ho fanatanterahana ny veliranon’ny filoha Andry Rajoelina. Tsy niara-dia tamin’ity farany tao Antsirabe izy tamin’ny sabotsy 19 oktobra 2019, nefa maro ny tetikasa mahakasika mivantana ny ministerany, toy ny fanorenana trano fonenana eny Vinaninkarena, Antsirabe II. Misy ifandraisany sa tsy faly tamin’ny nampidirana am-ponja an-dRazanakolona Paul Ramasitera, Ben’ny tanànan’Antsirabe, izay olony, mpikambana MMM (Malagasy Miara Miainga), iray andro talohan’ny nidinan’i Andry Rajoelina tao Antsirabe ve ny tsy nipotrany. Voampanga no nanodinkodina volam-bahoaka, nanao hosoka tamin’ny haban-tsena ary koa namoaka volan’ny Kaominina tamina asa tsy hita fototra ity Ben’ny tanàna ity. Nihalangalana tsy tazana niaraka tamin’ireo iraky Fiadidiana ny Repoblika nidina ifotony nifampidinika nivantana tamin’ny vahoaka teny Anosibe Zaivola, Ambohitrimanjaka, Ankadimanga Ambohidrapeto mikasika ny tetikasa Tanà-Masoandro ihany koa i Hajo Andrianainarivelo, nefa asa vaventy tandrify ny andraikiny no heverin’ny fanjakana hotanterahina eny. Tranga izay vao maika mampitombo ny ahiahin’ireo mpomba an’i Andry Rajoelina fa avy ao anatin’ny andrim-panjakana mpanatanteraka ihany no hifamingana. Ho sarotra, hoy ny mpomba an-dRajoelina izay efa betsaka no kivy, ny hahitana vokatra amina mpiara-miasa nefa olona samy efa kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena, ary mety mbola samy miomana ho amin’izany amin’ny manaraka ka mety hifamingana ary tsy ferana ho efa anisan’izany ity olana amin’ny solika eto an-drenivohitra efa hananika ny herinandro ity.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT