Politique

Rajoelina any Sénégal Midoka ny hafa sisa fa tsy misy hapoaka…


  • Talata 02 Aprily 2019

Any Sénégal nanomboka ny alahady 31 martsa teo ny filoham-pirenena ankehitriny, izay notsenain’ny filohany Macky Sall mivady teo am-pahatongavana teo amin’ny seranam-piaramanidina Leopold Sédar Senghor ao Dakar.

 

 

 Voaasa hiatrika ny fianianan’ity filoha voafidy indray ity izay hatao ny 2 aprily sy ny fetim-pireneny hankalazaina ny alamamisy 4 aprily ho avy izao. Ny 29 martsa lasa teo, efa nirehareha sy nanipy teny mikasika io diany io i Andry Rajoelina tany Moramanga nilaza fa vahiny manan-kaja amin’ity fanamarihana fetim-pirenena ity. Nisy fifamatorana ara-tantara teo amin’i Madagasikara sy Sénégal raha ny tantaran’ny fanjanahantany no hiverenana ary tsy sanatria mivoy fifandrafiana, fa izy ireo no nampiasain’ny Frantsay tamin’ny famoretana sy famonoana ny Malagasy tamin’izany fotoana ka nahatonga ilay fitenenana hoe: “Sonegaly nahazo baiko”. Tamin’iny fotoana iny ve no fotoana nety nenti-nandoka ity firenena ity ho niarakaraka nahazo fahaleovantena fa izy ireo efa lasa lavitra ? Voalohany amin'ny tantara isika no nahazo voninahitra lehibe toy izao eto Sénégal. Mankasitraka anareo iray Tanindrazana miray fo sy miara-mientana ho reharehan'ny nosy malalantsika, hoy i Andry Rajoelina. Asa aloha na hitondra inona ho an’ny firenena ny dian-dRajoelina any fa tsy mitsitsy vola aman-karena mihitsy ny tenany ary te hampiseho amin’ny mpitondra Afrikanina fa tsy tara amin’ny zavatra raitra sy mamirapiratra. Fiaramanidina raitra dia raitra mitondra ny “Immatriculation TC-TNR” no nitondra ny filoha any an-toerana, izay heverina ho nofaina lafo dia lafo. Tsy arakaraka ny fivoizana ilay politikan’ny fitsitsiana sy ny maha tany faha-4 mahantra indrindra antsika. Andrasana izay ho vontoatin’ny fifampiresahany amin’ny mpitondra Sonegaly sy ny maro hafa. Izy rahateo no sokajiana ivon’ny “France-Afrique”, politika hoentin’ny Frantsay manohy ny fanjakana amin’ny endriny vaovao sy hifehezana an’i Afrika. Efa lasa lavitra kosa raha ny resaka fandrosoana, ka nilazan’i Andry Rajoelina fa ny vola miditra ho an’ny isam-batan’olona ny azy ireo dia efa 2000dolara isan’andro, fa ny antsika kosa 400dolara. Nilaza ny filoha fa hataony avo telo heny noho ny an’i Sénégal ny antsika. Asa aloha na fampanantenana poak’aty, toy ny Tramway nambara efa any anaty sambo 10 taona lasa izany. Na ilay karama farany ambany 200 000Ariary nambara fa hatao vao tonga eo aza tsy misy. Andrasana indray izay mety ho akon’ny fifanarahana handeha any. Raha hiverenana ny tatsy Maorisy, nivoitra ny hanomezana tany 80ha ny azy ireo. Tsy ny firenena tahaka an’i Sénégal sy Maorisy velively izay dokafana mafy no hanavotra an’i Madagasikara fa samy mikendry ny tombontsoany io. Ho an’ny mpitondra antsika dia toa hitsikitsika hivavahana mihitsy ireo firenena manasa azy.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT