Nihazo an’i New York - Etazonia ny alarobia maraina teo i Andry Rajoelina, mba handray anjara amin’ny dinikasa miaraka amin’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, Ban Kin Moon.
Manodidina ny famahana ny krizy sy ny fanomanana ny fifidianana ny lahadinika amin’izany. Anisan’ny miara-dia aminy amin’izany ny minisitry ny fitantanam-bola Hery Rajaonarimampianina sy ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotoarimasy André Lucien. Voafintina tahaka izay ny fampitam-baovao ofisialy, fa raha araka ny tombatomban’ny mpitazana ety ivelany dia misy
Hangata-bola ?
Tsy maintsy hisy aloha mazava ho azy ny resaka ara-bola matoa nentina any ny minisitry ny vola. Iaraha-mahalala ihany fa manify ny kitapom-bolam-panjakana. Vola tsy latsaky ny 40 miliara Ariary anefa no hikarakarana fifidianana, etsy ankilan’izay anefa mbola resaka vola be ihany koa ny momba ireo fitakiana isan-karazany, tahaka ny an’ny Sempama, ny mpitatitra, ho avy indray izao ny grevin’ny Paramed. Mila vola noho izany ny fitondrana tetezamita, koa raha mba manome hikarakarana fifidianana ny Firenena Mikambana, na ireo fikambanana iraisam-pirenena dia mba misy azo hihetsehana indray aloha ny kely eo am-pelatanana.
Raha ny tokony ho izy sy ny lôjika amin’ny fanomanana sy fikarakarana fifidianana dia tokony mba anisan’ny delegasionina nankany
Efa nanao izany ireo tompon’andraikitry ny filaminana teto amintsika raha nihaona tamin’ny SADC teny amin’ny Le Paon d’Or sy teny amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny; ary mbola vonona ny hanamafy hatrany amin’ny sehatra iraisam-pirenena izy ireo, fa tsy mbola tokony hiverina eto aloha Atoa Marc Ravalomanana. Tato ho ato izay tokoa mantsy, dia nanomboka voaresaka matetika tao anaty tetezamita ilay andininy faha-20 ao amin’ny tondrozotra, ary na ny SADC aza dia efa nilaza fa tokony ampiharina manontolo ny tondrozotra. Ny ao amin’ny governemanta tarihin’ny praiminisitra Beriziky ihany koa dia tahaka ny efa mizotra any amin’ny fampiharana izany. Tsy hanaiky an’io na oviana na oviana anefa i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy, koa izay no mety anton’izao fihetsiketsehana rehetra atao any amin’ny Firenena Mikambana izao, sao mba mandaitra ihany ny politika avo lenta, ka sady azo ny volabe hanaovana fifidianana, no sady afaka tohizana ihany ny fanatanterahana ny tondrozotra na dia misy andininy vitsivitsy tsy ampiharina aza.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.