Samy tonga nametraka antontan-taratasy filatsahan-kofidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena hatao amin’ny 24 janoary 2013 izao teny amin’ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana Rajemison Rakotomaharo sy Camille Vital.
Ambasadaoro teo aloha tany Soisa ary solontena maharitra teo anivon’ny Firenena Mikambana tany Genève Rajemison Rakotomaharo. Nesorin’ny FAT avy hatrany tamin’ny toerany izy ny 22 febroary 2012, raha vao nanambara fotsiny ny faniriany hirotsaka hofidiana. Ny jeneraly Camille Vital, praiminisitry ny FAT teo aloha no nasolo ny toerany, ny jona 2012. Ity farany no ambasadaoro voalohany notendren’ny FAT. Nanambara fa kandida ary efa nametraka antontan-taratasy filatsahan-kofidiany i Camille Vital, ary dia iaraha-mahita fa manao izay danin’ny kibony ao amin’ny TVM manery an-kolaka ny CES hanaiky ny dosieny, saingy tsy sahin’ny FAT kitihina, jeren’ny minisitry ny raharaham-bahiny Pierrot Rajaonarivelo fotsiny, na dia adverserany amin’ny fifidianana aza. Kandida ihany koa mantsy ity farany. Holazaina ve fa 60 andro alohan’ny datim-pifidianana ny olona mitana andraikitra ambony mirotsaka ho kandida no tsy maintsy mametra-pialana ? Koa naninona no nesorina avy hatrany ingahy Rajemison vao niteny fa kandida ? Mbola fanontaniana mipetraka ihany koa moa raha toa ka mahafeno ilay fepetra enim-bolana nitoerana teto i Camille Vital.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.