Tafaverina an-tanindrazana Atoa Rajemison Rakotomaharo rehefa avy nitana ny andraikitry ny Masoivoho malagasy tany Soisa sy Solontena Maharitra tany amin’ny Firenena Mikambana tany Genčve nandritra ny efa-taona. Eo amin’ny lafiny politika dia izy no Filoha nasionalin’ny antoko MAMAFISOA (Malagasy Mandroso ao anatin’ny Fihavanana sy ny Soatoavina). Nisy ny dinidinika mikasika ny raharaham-pirenena ankapobeny nifanaovan’ny Tia Tanindrazana taminy.
Tia Tanindrazana (T.T) : Tsy midika ho tsy fahatokisana anao sy ny asa natanao ve ny fanalana anao tsy ho solontena maharitr’i Madagasikara teo anivon’ny Firenena Mikambana tany Genève Soisa ?
Rajemison Rakotomaharo (R.R) : Tsy hoe misy fahatokisana na tsy fahatokisana ny nanalana ahy tsy ho Masoivoho tany Soisa sy Solontena Maharitra tany amin’ny Firenena Mikambana tany Genève, fa araka ny fantatrao dia fanendrena no nandefasana ahy namita iraka tany ivelany.
Sahala amin’ny fanendrena rehetra ihany ka rehefa tonga ny fotoana fa tokony hosoloina amin’izay ianao dia miala, ny toerana rahateo natao ifandimbiasana ary raha izaho manokana dia tsy fanaoko ny midongy toerana ka aleo mba ny hafa indray no hanohy ny andraikitra. Fa tsy misy olom-boatendry na olom-boafidy ka mijanona eo mandrakizay. Ary ny andraikitra toy ireny eo amin’ny telo ka hatramin’ny dimy taona eo foana no faharetan’ny toeran’ny Ambasadaoro na any ivelany na ho an’ny firenen-kafa izay miasa eto amintsika. Nahavita efa-taona aho tany Genève dia heveriko fa tonga amin’ny fe-potoana voafetra.
T.T : Miverina tanteraka an-tanindrazana ve ianao izao sa misy iraka hafa anirahan’ny fanjakana anao taorian’ny asa tany Genève Soisa ?
R.R : Miverina tanteraka eto an-tanindrazana aho ary tsy misy asa hafa nampandraiketin’ny Fanjakana ahy intsony satria izaho tsy mpiasam-panjakana matihanin’ny Raharaham-bahiny (Tsy Diplomate de Carrière) fa olona avy amin’ny sehatra tsy miankina.
T.T : Iray amin’ireo efa nanambara fa ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ianao. Mbola tazominao ve izay fanambarana izay ?
R.R : Tamin’ny volana Desambra 2011 aho no nanambara fa ho kandidà amin’ny fifidianana ho Filoham-pirenena ary mbola tazomiko ny fanambarana izay nataoko.
T.T : Nisy fanehoan-kevitra nataon’ny antoko MAMAFISOA tarihinao amin’ny tsy tokony hilatsahan’Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina amin’ny fifidianana, matahotra demokrasia angaha ianareo no manilika adversera ?
R.R : Tsy resaka adversera na tsy adversera fa araka ny efa nolazaiko tamin’ny fanambarana nataoko, ny alarobia teo, dia mila fitoniana aloha izao ny Firenena fa ampy izay korontana izay. Hitantsika koa anefa fa tato anatin’ny efa-taona ange izay dia izy mirahalahy mianaka ireo foana no vato misakana tsy hahazoana mandroso na misy fifidianana na tsy misy fifidianana e ! Ary averiko eto indray fa tsy natao ho an’olona mpifanandrina roa i Madagasikara fa an’ny Malagasy rehetra, ary ny vahoaka Malagasy maro an’isa no mizaka ny fijaliana sy ny fahantrana izay ateraky ny krizy. Noho izany, filaminana sy fitoniana aloha izao no ilain’ny Firenena sy ny vahoaka Malagasy alohan’ny hirosoana amin’ny tena fifidianana, izay heverina fa lalana iray hivoahana amin’izao krizy lavareny izao.
T.T : Namoaka tetiandrom-pifidianana iny ny CENIT, azo antoka ve ny hahatanterahany manoloana izao disadisa politika tsy misy farany eto izao ?
R.R : Izay ilay nolazaiko anao hoe : mila filaminana sy fahatoniana ny Firenena alohan’ny tena fifidianana. Marina ny anao fa raha mbola ao anatin’ny fisafotofotona dia tsy ho tomombana araka io tetiandro io ny fifidianana.
T.T : Malaina hiditra an-tsehatra hanelanelana amin’ny fandaminana ny krizy ny FFKM, aminao inona no mety ho antony ?
R.R : Izaho moa vao haingana no tafaverina teto amin’ny Firenena, fa raha ny fahafantarako azy dia mbola misy fandaminana anatiny tian-dry zareo hatao ao. Fantantsika fa ao anatin’ny fotoam-panavaozana ny Filoham-piangonany avy izao ny Fiangonana Lehibe Mpikambana ao.
T.T : Mibaribary ankehitriny fa tafiditra lalina amin’ny politika koa ny foloalindahy Malagasy. Aminao, resa-bola ve io sa ilay soatoavina miaramila mihitsy no very ?
R.R : Amiko dia ny Soatoavina maha Foloalindahy mihitsy no tsy voahaja.
T.T : Mandeha ny feo fa manam-paniriana hivondrona ireo mpikambana TIM taloha ka hamelona indray izany antoko izany, anisan’izany ve ianao ?
R.R : Amiko dia fantatrao fa mandala ny Fihavanana amin’ny olona rehetra aho, ary tena ara-bakiteny ilay ohabolana hoe “Mpirahalahy mizara dian’omby tsy mivaky fa mitritra ny TIM. Koa raha tonga ny fotoana ka mahatsiaro tena fa tokony hivondrana indray, inona moa no maharatsy izany ?
T.T : Nandray anjara tamin’ny synoda lehiben’ny FJKM natao tany Manakara farany teo ianao. Nifandamina angaha ianao sy Atoa Marc Ravalomanana teo amin’ny toeran’ny filoha lefitra laika mandrafitra ny birao foibe ?
R.R : Tsy nisy fandaminana nataoko tamin’iza na iza mikasika ny toeran’ny Filoha lefitry ny Birao Foibe FJKM. Araka ny efa voalazako dia tsy vao izao aho no nandray andraikitra teo anivon’ny FJKM ary amin’ny maha Filoha Mpiara-mitantana ahy ny FASEP na Fanarenana ny Sekoly Protestanta no nanendry sy nanome toromarika ahy handray anjara tamin’io Synoda io ary nisolotena azy. Ary ahitsiko etoana fa tsy nilatsaka ho Filoha Lefitry ny Birao Foibe araka izay nambaran’ireo gazety sy haino aman-jery aho fa mijanona ho mpikambana fotsiny, ho mpiandraikitra tsotra ao amin’ny Foibe. Teny am-piandohan’ny fifidianana rehetra dia efa nataoko an-taratasy mazava izany toromariky ny Komity naniraka ahy izany.
T.T : Manao ahoana tokoa izao ny fifandraisanao sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ?
R.R : Izaho manokana dia tsy manana olana aminy. Sady tsy niady no tsy nifanditra izahay hatramin’ny androany.
T.T : Ny teninao farany hamaranana ity tafatafa ity.
R.R : Manantitra foana aho fa tonga izao ny fotoana ilana fitoniana amin’ny lafim-piainana rehetra ho an’ny Malagasy rehetra manerana ity Firenena Malalantsika ity. Ampy izay fotoana lava be izay, fa “Andao isika hihavana, hifamela, hifandray tanana, hanindry izay hambo-po diso toerana rehetra ka hijery marina izay tena hanavotana an’ity Firenentsika ity, mba hiadam-pinaritra hoatry ny fifankatiavan’ny Mpirahalahy hoy ny Soratra Masina”.
Dia misaotra anao ny tenako tamin’izao dinidinintsika izao.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.