Rajemison Rakotomaharo n°23

> Iavoloha : hatao toeram-pampianarana ambony


  • Alatsinainy 21 Oktobra 2013

Nitodi-doha teto an-drenivohitra indray ny kandida Rajemison Rakotomaharo, laharana faha-23, rehefa avy nitety faritra maro teto amin’ny Nosy mandritra izao fampielezan-kevitra izao. Nihaona tamin’ny vahoaka teo Antanimenabe Ankorondrano izy ny zoma teo, rehefa avy namakivaky ny boriborintany voalohany, ka nifandray mivantana sy nihaino ny hetahetan'izy ireo.

Ny kandida Rajemison Rakotomaharo dia manana tombony amin’ny traikefa izay ananany noho izy efa Filohan’ny Antenimierandoholona, Andrimpanjakana mpanao lalàna kanefa miahy ny faritra ihany koa, efa nitondra ny tanànan’Antananarivo izy ary manana traikefa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ka afaka tsara nanazava ny tetikasa entiny hampandroso an'i Madagasikara. Nambaran-dRajemison Rakotomaharo tamin’ny Vahoakan’Antananarivo tetsy Ankorondrano ary fa anisan’ny tetikasany ny fanitarana sy fanatsarana ny tanàn-dehibe, satria dia mihatery hoy izy, ny tanàna ka miteraka fahatarana amin’ny lafiny rehetra izay sakana ho an’ny fampandrosoana, ny famerenana ireo Zones Franches mba hitsinjovana ireo very asa noho ny krizy, ny famoronana asa. Tsy nisalasala ihany koa ity kandida ity fa raha ho lany Filoham-pirenena izy dia hataony Fampianarana Ambony momba ny Fanavaozana Hairaha sy Ivontoerana fiofanana mikasika ny Teknikan’ny Fahalalam-baovao sy ny Serasera, ny Fandraharahana ara-pambolena (Ecole des Hautes Etudes et Centre de Recherches des Innovations, de la NTIC et de l’Agribusiness) ny Lapa-panjakana eny Iavoloha.

Ampy hanatanterahana ny andraikitry ny Filoham-pirenena ny Lapan’Ambohitsorohitra, hoy izy. Izany dia mba hitsinjovana ny tanora izay hoavin’ity firenentsika ity sy hanasoavana ny taranaka ho avy, hisokatra ho an’ny zanaky ny faritany enina eto Madagasikara io fampianarana io, asiana toerana honenan’izy ireo ihany koa, indrindra ireo mpianatra avy lavitra ary omena vatsim-pianarana izy ireo mba hisian’ny fitovian-jo. Ambetin-tenin’ny Kandida Rajemison Rakotomaharo laharana faha-23 ny fametrahana ny fahaleovantena ara-politika ka tsy hobaikon’ny vahiny intsony, ny fifehezana ny ara-toekarena izay fototra entina hampandroso an’i Madagasikara satria 85%, hoy izy, ny Malagasy dia tantsaha avokoa, notsipihiny manokana ny fanajana ny zon’olombelona sy ny maha olona izay tafiditra ao anatin’ny Soatoavina Malagasy. Tamin’ireo toerana rehetra izay notsidihany dia nanazava hatrany izy ny fomba fampiasana ny bileta tokana satria raha io no tsy voafehy, hoy izy, dia ho diso safidy ny maro an’isa ary ho very zo, kanefa ny fifidianana tadiavina dia fifidianana marina, mangarahara, eken’ny rehetra, tsy ny eto an-toerana ihany fa ny iraisam-pirenena ihany koa.

 

JD

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT