Rajemison Rakotomaharo

> Vavaka ho an’ny firenena no nisantarany ny fampielezan-keviny


  • Alarobia 25 Septambra 2013

Fotoam-pivavahana sy ny famangiana ny tany niaviany no nisantaran’ny kandidan’ny Mamafisoa, Rajemison Rakotomaharo ny andro voalohany amin’ny fanaovana fampielezan-kevitra.

Natao tetsy amin’ny fiangonana Fjkm Mahazoarivo izany fotoam-pivavahana ho fangatahana fitahiana ho an’ny firenena sady fitrotroana am-bavaka ny kandida izany. Ny tolak’andro kosa dia namonjy ny toerana nahaterahany tany Anosiala Ambohidratrimo ny kandida sy ireo mpiara-dia aminy. Nambarany fa mpanara-dalàna ny tenany ka izany no antony tsy nanaovany fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana. Laharam-pahamehana 3 no ifotoran’ny praograman’asany dia ny famerenana ny firenena ho ara-dalàna sy tan-dalàna, ny fiahiana ny maha olona amin’ny alalan’ny ady amin’ny fahantrana amin’ny ankapobeny ka tafiditra ao hatramin’ny resaka fanabeazana, ary ny famerenana ny tontolon’ny famokarana sy ny fandraharahana. Efa ela izay no nijalian’ny vahoaka Malagasy, hoy ity kandida ity ka fotoana izao hanovana mba ho tanteraka tokoa ilay ao anatin’ny hiram-pirenentsika hoe : “e sambatra tokoa izahay” fa tsy ho hira ventesina fotsiny. Miankina amin’ny vahoaka mpifidy anefa, hoy izy ny ahafahana manao izany.

 

Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT