Toy ny olom-pirenena rehetra dia tonga nenefa ny adidiny amin’ny fifdianana tao amin’ny Boriboritany faharoa, teto Antananarivo Renivohitra omaly maraina tamin’ny 10 ora ny kandida laharana faha-23 tao amin’ny bileta tokana, Rajemison Rakotomaharo niaraka tamin’ny ankohonany. Tao amin’ny EPP Ambatoroka no nanatontosany izany. Nilamina ny fizotran’ny fifidianana sy ny fandraisan’ny olona anjara nandritra ny fandalovany teo an-toerana. Raha nanontanian’ny mpanao gazety mikasika ny fanekena ny valim-pifidianana izy dia nanambara fa «rehefa fifidianana eken’ny rehetra indrindra ny vahoaka Malagasy sy ny sehatra iraisam-pirenena dia eken’ny Kandida Rajemison Rakotomaharo ka aoka mba hizotra amin’ny tokony ho izy, am-pilaminana sy am-pitoniana ny fanatanterahana ity fifidianana ity satria miankina amin’io ny hoavin’ny vahoaka iray manontolo sy i Madagasikara ary indrindra ny taranaka ho avy, ny valim-pifidianana ilaintsika rahateo dia valim-pifidianana marina sy mangarahara» hoy hatrany izy.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.