Rajemison Rakotomaharo

> Akaiky ny vahoaka hatrany


  • Talata 15 Oktobra 2013

Manohy hatrany ny fitetezam-paritra ny kandidà ho Filoham-pirenena laharana faha-23, Rajemison Rakotomaharo, atolotry ny antoko MAMAFISOA (Malagasy Mandroso ao anatin’ny Fihavanana sy ny Soatoavina)

Tsiahivina fa maro ny andraikitra nosahanin’ity kandidà ity teto anivon’ny firenena sy teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, satria izy dia efa nitantana ny tanànan’Antananarivo, efa Filohan’ny Antenimierandoholona (2002-2008) ary efa Ambasadaoron’i Madagasikara tany Soisa sy Solontena Maharitra teo anivon’ny Firenena Mikambana (ONU). Mandritra izao fampielezan-kevitra izao dia maro ireo faritra efa notsidihiny ny herinandro lasa teo ka an’isan’izany ny faritra Vakinankaratra : Ambatolampy, Ilempona, Antanifotsy, Andranomanelatra, Antsirabe, Faritra Matsiatra Ambony ary nitohy tany amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany sy Menabe. Nitafa mivantana tamin’ireo vahoaka hatrany ny kandidà Rajemison Rakotomaharo ary nihaino ny hetahetan’izy ireo nandritra ny fandalovany. Nafana tokoa ny fandraisana ny delegasiona ary nisongadina tamin’ireo fandraisam-pitenenana ny fankasitrahan’izy ireo ny kandidà Rajemison Rakotomaharo izay tsy zoviana amin’izy ireo intsony, nipetraka hatrany ho Raiamandreny, nahafantarana azy ihany koa ny fahaiza-mitarika, olon’ny Fihavanana sy ny firaisankina, feno fanetren-tena, afaka mifampiresaka sy mihaino ny vahoaka, ary misokatra amin’ny lafiny rehetra ka vonona ny hiaro ny tombontsoan’ny maro an’isa sy hitondra ny traikefany ho amin’ny fampandrosoana ny firenena, mba hanandratana an’i Madagasikara aty amin’ny ranomasim-be Indiana sy Afrika ary eo anivon’izao tontolo izao.

Izany dia amin’ny alalan’ny Vinam-piarahamonina entiny ka nataony laharampahamehana ny fametrahana politika mahaleotena, mba tsy hobaikon’ny any ivelany intsony, ny fifehezana ny toekarena mba hampiroborobo ny famokarana sy ny famoronana asa hitsinjovana ny maha olona, ary ny fanajana ny kolontsaina sy ny Soatoavina Malagasy. Raha ireo no feno, hoy izy, dia hipetraka ny tany tan-dalàna sy ny fandriampahalemana. Nanazava hatrany ny fampiasana ny biletà tokana ny kandidà Rajemison Rakotomaharo tamin’izany ary tsy adinony ny nanentana ireo olona hanefa ny adidiny sy hiaro ny safidiny satria dia zon’ny olom-pirenena izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT