Anisan’ireo kandida nametrahan’ny vahoakan’ny Distrikan’Ambositra fitokisana noho ny fandaharan’asany mazava tsara hitantanany ny firenena i Patrick Rajaonary laharana faha-15 tamin’ny bileta tokana, tamin’iny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany iny.
Resin’ity kandida ity tao amin’ny Kaominina Andina sy Antoetra ireo kandida mitarika amin’ny isam-bato betsaka eran’ny Nosy amin’izao fotoana izao. Tao amin’ny Kaominina Andina manokana dia i Patrick Rajaonary no voalohany nahazo vato 780 tamin’ireo mpifidy tonga nandatsa-bato miisa 3 528. Dokotera Robinson Jean Louis no faharoa tao Andina nahazo vato 397, fahateo i Hery Rajaonarimampianina nahazo vato 387 ary i Hajo Andrianainarivelo nahazo vato 367. Mbola i Patrick Rajaonary ihany koa no nahazo vato betsaka tao amin’ny Kaominina Antoetra satria tamin’ireo vato manankery miisa 1 852 dia lasany avokoa ny vato 347 tamin’ireo, laharana faharoa tao Antoetra-zafimaniry ny Dokotera Robinson Jean Louis izay nahazo vato 303, fahatelo kosa i Hery Rajaonarimampianina nahazo vato 221. Mbola maro ireo Kaominina nahazoan’ity kandida ity vato betsaka tao amin’ireo Distrika telo hafa tao Amoron’i Mania.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.