Politique

Rajaonarisoa Maholy “Mahatoky ny vadiko hampandroso an’Antananarivo aho”


  • Zoma 22 Novambra 2019

Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainana mpitantana, mpanao politika, tompon’andraikitra ambony, manampahefana ny vady andefimandriny.

 

 

Tsikaritra nandritra ny fampielezan-kevitra fa anilan’i Tahiry Ny Rina Randriamasinoro, kandida natolotry ny TIM eto Antananarivo Renivohitra hatrany ramatoa vadiny. Rajaonarisoa Maholy, 35 taona, mpandraharaha ankoatry ny maha renim-pianakaviana azy. Nandritra ny tafa manokana nifanaovana taminy no nanambarany fa tena mino sy mahatoky izy fa i Rina no hahavita hampandroso an’Antananarivo. Ampy traikefa tsara izy, hoy i Maholy ary mahafantatra tsara ity renivohitra ity. Mametraka ho ambony ny finoana an’Andriamanitra sy ny hasarobidin’ny fianakaviana izahay mivady, hoy izy ary mifanindran-dalana amin’izay dia zava-dehibe ho an’ny zanatsika sy ny tanorantsika ny fianarana. Raha sitrapon’Andriamanitra ka voafidy soamantsara ho ben’ny tanàna i Rina dia faniriako ny hidina ifotony hitety ireo fokontany ka hanentana ny ankizy mba hazoto hianatra, tsy maintsy jerena ihany koa izay hanampiana ireo ray aman-dreny mba hampazoto azy ireo hampiana-janaka, hoy Rajaonarisoa Maholy. Samy avy amina fianakaviana tsotra izahay mivady, hoy hatrany izy ka ny filofosana tamin’ny fianarana no nahafahanay nihoitra tamin’ny fiainana. Ankoatra izay, tsy mpanao politika aho saingy mazava ny resaky ny kandida Rina hatrizay : “hiara-kiasa isika hampandroso ny tanàna; fitondrana manakaiky vahoaka no tanjona ka horaisina sy hodinihana ary avadika ho asa ny hetahetan’ny vahoaka eny ifotony”, hoy hatrany izy.

 

Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT