Mbola mampametra-panontaniana hatramin’izao ny dia an-tsokosokon’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina tany Frantsa ny sabotsy 17 febroary, ary nody mangingina ny takarivan’ny talata 20 febroary teo.
Efa taty amin’ny alakamisy 22 febroary vao misy ny tatitra maneho, fa anisan’ny nijery ny foara iraisam-pirenena tao Rungis Paris ny talata lasa teo izy. Ny filoha tale jeneralin’ity tsena goavana ity M. Stéphane Layani mihitsy no nandray ny delegasiona Malagasy tamin’izany. Misy amin’ireo vokatra avy aty Madagasikara no amidy any. Mba hanamafisana orina ny fifandraisana ara-barotra eo amin’i Frantsa sy Madagasikara no tanjona, ka omena anjara toerana amin’izay ny lavanila, lodisia, dipoavatra, ny vokatra an-dranomasina,… Mitana ny 80%-n’ny famokarana lavaila maneran-tany i Madagasikara ary fanta-daza amin’ireo hanitra sy voankazo ary ny vokatra an-dranomasina, nitana ny 31% amin’ny vokatra naondran’i Madagasikara tany Frantsa izany ny taona 2016, ary lasa 53% tamin’ny taon-dasa, izay nampiditra vola 145 tapitrisa Euros. 4 andro teo ho eo ny filoha no tany, ka ny andro farany momba ny diany izany no fantatra, fa ny ankoatra izay manjavozavo. Misy zavatra afenimpenina sa mba nandeha aloha nitsangatsangana sy nanao fiainana ? Nifanandrify tamin’ny lanonana tao amin’ny lapam-panjakan’i Elysé ny 21 febroary teo ny fivahinianan’i Hery Rajaonarimampianina tany Frantsa. Nanomezam-boninahitra ny Filoha Liberianina Georges Weah, mpilalao kitra hany Afrikanina nahazo ny “balon d’or” izy io. Voaasa tany ny filohan’ny Fifa Gianni Infantino sy filohan’ny CAF Ahmad. Nitafa mivantana tamin’i Emanuel Macron i Ahmad tamin’izany. Nohararaotina ve ity fihaonana ity, ka mba nasaina nampidirana resaka mba hahafahan’ny filoha Malagasy fihaonana tamin’i Emmanuel Macron saingy nolavina ka niala maina ? Toa somary mangatsiatsiaka rahateo ny fifandraisana ara-diplomatika amin’ny fanjakana HVM sy Lafrantsa raha tarafina amin’ny raharaha Houcine Arfa sy ny tsy nanomezan’ny Frantsay ilay volabe 10,2 miliara dolara nampanantenainy ny desambra 2016. Misy zavatra tsy milamina ao !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.