Malaza indray izao ny famoahana programa sy vina ambara fa hampandrosoana an’i Madagasikara ataon’ireo mpanao politika lehibe. Nanao ny azy ny filoha ankehitriny Hery Rajaonarimampianina sy ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina, izay tsy mifanalavitra sy toa nifangala-tahaka mihitsy aza angamba.
Ny iray nanao hoe « fisandratana mirindra », ny an-kilany kosa nisafidy ny teny vazaha hoe : « Initiative Émergence Madagascar », izay midika vina ho fisandratan’i Madagasikara. Mahagaga sy mahalasa saina ny fitoviana eo amin’ny voambolana, indrindra ny sary famantarana, izay toa misy hifandraisany amina rafitra lehibe sy malaza te hifehy an’izao tontolo izao. Io rafitra io ihany ve no ao ambadiky ny roa tonta fa samy miezaka mafy ny ho lany fotsiny amin’ny fifidianana ? Tsy dia mifanalavitra firy amin’ilay an’i Orlando Robimanana, tale jeneralin’ny tahirimbolam-panjakana teo aloha antsoina hoe : « Madagasikara, vina ho an’ny fampandrosoana », ny vinan’ny HVM “Fisandratana 2030”. Efa nambaran’ny fampahalalam-baovao iray aza, fa namadika an’i Orlando Robimanana ny mpiara-dia aminy ka nivarotra tamin’ny HVM ny boky mirakitra ny fandaharan’asany. Efa re siosio hatramin’ny 2016 ny hirotsahan’ingahy Orlando Robimanana ho kandida filoham-pirenena ary voalaza fa kandida be vola izy. Azo adika aloha fa tsy finiavana velively avy amin’ny mpitondra ankehitriny ny hoe hanandratra an’i Madagasikara, araka ny ronono an-tavy ezahina handresen-dahatra ny vahoaka amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Ny tetikasa aza ny an’olona no voalaza fa nangalarina sy namboamboarina. Taiza ihany koa ny HVM hatramin’izay no tsy hita izay natao fa no izao vao may volon-tratra sy mamita-bahoaka amin’ny fisandratana mirindra 2030 ? Nankaiza ny PND (Plan National de Developpement), izay nambara fa drafitra hampandrosoana an’i Madagasikara, izay nankalazaina be ho ren-tany ho ren-danitra tahaka ity « fisandratana mirindra » ity ihany ny fampahafantarana azy ? Ny an’i Andry Rajoelina moa, dia ireny efa niaraha-nahita ireny hoe tany an-tanin’olona no nampahafantarina ny vina hampisandratana an’i Madagasikara, izay toa efa midika fanaovana tsinontsinona ny Malagasy. Anisan’ny nanakiana mafy azy ny namany akaiky teo aloha Rolly Mercia na Harry Laurent Rahajason minisitry ny serasera ankehitriny hoe: raha manana hambom-po dia mody eto aloha voalohany indrindra miara-mizaka izay zakain’ny Malagasy. Namotika, nandrodana, nandoro, tsy nisaina kely akory ka izao vao mamafy lainga sy milaza fa hanavotra ny firenena ? Tsara ny manana vina, fa mety kokoa ny tsy mamita-bahoaka sy mampanantena tsy misy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.