Mety hahemotra amin’ny volana aprily ny fihaonambem-paritry ny antoko HVM tokony hatao ny 15-16 desambra any Antsiranana. Loharanom-baovao iray no nandrenesana, fa tsy faly tamin’ilay fihaonambem-paritra tany
Mahajanga farany teo ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Zara raha nisy ben’ny tanàna tonga, ary torak’izany ihany koa ny sefom-pokontany na dia efa nandeha aza ny fanentanana sy ny fanambazana isan-karazany. Te hilalao ireo vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana eny ifotony ny HVM, saingy somary nitsefotra izany fanambatambazana ireo ben’ny tanàna sy sefom-pokontany tany Mahajanga na dia nirehareha fatratra ho olon’i Mahajanga aza i Rivo Rakotovao, Filohan’ny Antenimierandoholona sady Filoha Nasionalin’ny HVM. Matahotra mafy ny ho tratry ny toy izany ihany koa izy ireo any Antsiranana, ka mailo dieny izao ny HVM, indrindra ny Filoham-pirenena. Azo adika izany hoe tsy dia faly loatra amin’ny afitsoky ny mpitarika Ny antokony ny Filoham-pirenena. Efa tena mibaribary ny tosi-bohon-tànana mahazo ny HVM na dia eo aza ny volabe tsy toko tsy forohana atosak’ity antokon’ny fitondrana ity. Olana any Antsiranana amin’izao ihany koa anefa ny fidangan’ny vidim-piainana satria amin’izao fotoana izao, dia tafakatra 1100 Ar ny kapoaka’ny vary, izay saika ny vahoaka manerana an’i Madagasikara manontolo no mizaka izany, saingy tsy hita izay vahaolana matotra. Matahotra mafy ny hilanjan’ny olona sora-baventy ny HVM sy ny Filoham-pirenena, ka dia mety hisorohana izay fitroaran’ny vahoakan’Antsiranana izay ny hanemorana ny fihaonambem-baritry ny antokony, izay toa efa ao anatin’ny fanaovana propagandy. Fanaon’ny HVM rahateo ny mirevy sy miliba maneso vahoaka efa ao anatin’ny fahasahiranana, saingy mihorohoro kosa amin’izao fotoana izao. Mety hiandry ny vanim-potoana hampangatsiatsiaka ity resaka vidim-bary sy vidim-piainana ity izany vao mety hanatanteraka ilay fihaonambem-paritra hoenti-miliba sy hidedahana, fa mahavita azy ny antokon’ny fitondrana mpaneso sy mpandatsa vahoaka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.