Dieny izao dia efa tokony hihevitra sahady izay mendrika ho filohany manomboka amin’ny 2018 ny olom-pirenena tsirairay avy, hoy ny fanehoan-kevitr’i Lalatiana Ravololomanana filohan’ny antoko Manda ho an’i Gasikara
. Tsy tokony hiverina eo amin’ny fitondrana intsony ny mpitondra amin’izao fotoana izao fa efa tsy mahavita azy, hoy izy. Ny fahatongavan-tsaina sy ny fahasahian’ny tsirairay mandray andraikitra, raha ny heviny, no ilaina mba ahafahana miaro na dia ny kely ananan’ny malagasy amin’izao fotoana izao ihany aza. Ho azy dia tsy tokony hipetrapetra-poana ny Malagasy, indrindra fa ny mpanao politika satria mitaky mpanohitra vonona hanarina sy hanangana Madagasikara vaovao ihany koa ny zava-misy eto amin’ny firenena. Vahaolana narosony ary ny amin’ny tokony hametrahana fomba fanaovana politika vaovao mihitsy mba tsy hiverenan’ireo tsy fahombiazana teo aloha intsony. Mahita kosa ireo mpanara-baovao fa olana fototra hatramin’ny niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara ny firoborobon’ny antoko politikam-pianakaviana miaraka amin’ny akamakama. Manampy tosika moramora avy eo ireo mpanao politika mpikaramanady tsy mikatsaka afa-tsy ny fitadiavan-tseza sy ny tombontsoan’ny tena
Mirija /Ramano F
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.