Politique

Rajaonarimampianina sy ny ekipany Ampianarin’ny vazaha soatoavina malagasy


  • Sabotsy 16 Jolay 2016

Mampametra-panontaniana ny zava-misy tato ho ato hoe mbola mihevi-tena ho Malagasy ve ireto mpitondra antsika ireto ? Ny vahiny indray mantsy no mampianatra ny mpitondra ny soatoavina Malagasy.

 


 Nandriaka ny ra tany Beroroha izay namoizana ain’olona 34 be izao saingy tsy nampiraika ny fanjakana izany. Tsy nisy na dia iray minitra monja aza natokana hisaonana ireo namoy ny ainy. Tany Frantsa anefa, ohatra, dia polisy 2 no namoy ny ainy ary nanaovana fisaonam-pirenena. Izao indray vao nitranga ilay asa fampihorohoroana afakomaly dia 3 andro be izao no natokana hisaonana ho an’ireo namoy ny ainy. Nisy indray ilay fipoahana tetsy amin’ny Kianjaben’i Mahamasina  izay namoizana ain’olona telo, saingy fomba fiteny toa nanasoketa sy nanameloka ny mpanao politika tsy mitovy hevitra aminy no nahamaika ny filoha. Dia toy ny teo aloha ihany hoe tsy nisy na dia andro iray aza natokana hisaonana ho an’ireo olona namoy ny ainy. Ny tena nahazendana sy nampitsangam-bolo ny vahoaka dia ny nahita ireo masoivoho vahiny nampidin-tsaina ho fanomezam-boninahitra ireo namoy ny ainy. Nandritra ny fivorian’ny Parlemantera Frankofonina natao teto amintsika dia mbola ireo vahiny  ihany koa no nangataka 5 minitra fahanginana ho an’ireo Malagasy. Dia ny tena no menatra mandinika hoe: ahoana no hiafaran’ny Malagasy raha ny mpitondra aza tsy mahita ny lalana hombany ? Tsy mila ampianarina isika raha soatoavina fa ireto mpitondra antsika angamba no leo ka dia naleony namorona ny kolontsainy sy ny soatoaviny manokana.

                                                                                              Toky R.

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT