Hita ho manezaka mafy ihany ny filoham-pirenena am-perinasa Hery Rajaonarimampianina amin’ny fametrahana paikadim-panarenana ny firenena, ny fanarenana fotodrafitrasa,
ny fandresen-dahatra ireo mpiara-miasa sy mpamatsy vola ho avy hiasa eto Madagasikara ary lasa anton’asany isan-kerinandro ny fitokanana zava-bita amina faritra maro manerana ny nosy.
Kabary mankaleo
Araka ny fanehoan-kevitry ny mpanao politika, ny tekniasianina, ny olon-tsotra anefa dia tsy maharesy lahatra ny ankamaroan’ny Malagasy intsony izany fihetsiketsehana rehetra izany. Ny sehatra iraisam-pirenena moa dia io efa iaraha-mahita io fa tsy mety manome vola, ka na fanampiana maika aza dia mbola zarazaraina ampahany maro be ihany. Mihitsoka ny famonjena ny mponina tratry ny kere any atsimo satria tena tsy am-pelatanana ilay vola be efa ho 1 miliara dolara. Ny asa hafa moa dia mihitsoka avokoa, soa ihany fa misy ny fivorian’ny frankôfônia amin’ny volana novambra ka mba misy asa mandeha kely eto Antananarivo. An-kilan’izay, tsikarika fa manomboka mihetsika ireo mpanao politika hafa, izay tena mbola manana ny maha izy azy tahaka an’i Marc Ravalomanana sy Didier Rasiraka, ohatra. Itsy voalohany sady mandalim-pahaizana, manovo fahalalana no mikaroka mpiara-miasa eto an-toerana sy any ivelany hahafahany manohy ny programany hampandrosoana ny firenena dia ny MAP izany. Ny orinasany rahateo manomboka efa miarin-doha tsimoramora. Ilay faharoa indray, tsy taitra, tsy maika kanefa tsy tara. Manana fandaharanasa ihany koa hanampiana ny vahoaka Malagasy, ary mahita famatsiam-bola goavana, hono. Atomboka tsy ho ela ny asa, hoy ny amiraly Ratsiraka ary efa nanentana ny mpiara-dia aminy izy, tahaka ny nataon’i Marc Ravalomanana ihany koa. Lasa mifantoka any amin’ireto filoha 2 teo aloha ireto ny sain’ny mpanara-baovao ankehitriny, izay efa tena leon’ny kabary tsara lahatra sy kobaka am-bava fanaon’ny HVM. Maro no mihevitra fa ho sarotsarotra ihany ny miandry an’i Hery Rajaonarimampianina amin’izay mety ho fifidianana ho avy eo satria be loatra ny kinanga sy hadalana hita nandritra ny fitantanany ny firenena, ireo mpifaninana aminy mivantana anefa, efa nandray lesona tamin’ny lasa ary nahay nanitsy ny tsy mety no sady manana vina matotra sy azo tsapain-tanana kokoa noho ny azy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.