Miisa 711.534 ny vato azon’i Hery Rajaonarimampianina nahatafakatra azy tamin’ny fihodinana voalohany tamin’ny fifidianana 2013.
Raha ny lojika politika eto amin’ny firenena amin’izao fotoana dia tsy hitombo fa vao mainka hilatsaka ambany ka tsy hahazo ny vato azony tamin’izany intsony i Hery Rajaonarimampianina, raha mandeha ara-drariny sy mangarahara ny fifidianana. Leo sy tofoka amin’ny afitsok’ity fitondrana ity ny Malagasy ary azo antoka ny hisian’ny latsa-bato hatao handrarahana an’i Hery Rajaonarimampianina na ilay antsoina hoe : « Vote sanction ». Maromaro ireo mihevitra ny hirotsaka amin’ny taona 2018, ary tombanana hitovitovy ny tamin’ny taona 2013 na mety hihoatra aza ireo kandida. Samy manana ny mpanohana azy izy ireo, saingy tsy ny ho lany no tanjona fa hivarotra ny vato azo amin’izay kandida tafiditra amin’ny fihodinana faharoa sitrany ahay mahazo toerana ao amin’ny governemanta na koa tendrena amina toerana ambony hafa. Matetika efa somary hita soritra ny kandida matanjaka sy manana ny herijika ho lany. Izany indrindra no mahatonga ny HVM manamboatra ny kajy malotony amin’ny tsy hamelana ireo tena atahorany tsy hirotsaka. Kandida efa nanambara ny firotsahany i Mailhol André Christian Dieu Donné na pasitera Mailhol, izay efa nanangana ny antoko GFFM (Gideona Fandresena ny Fahantrana eto Madagasikara). Iray tapitrisa mahery ny mpino afaka mandrotsa-bato ho azy. Mety hanana herijika hiditra any amin’ny fihodinana faharoa i Pasitera Mailhol, raha tontosan’ny HVM ny fanakanana ny iray amin’ireo mpifaninana tena atahorany amin’ny 2018 dia i Marc Ravalomanana na i Andry Rajoelina. Sahiran-tsaina tanteraka ny fitondrana HVM satria tsy hisy mangirana ho azy mihitsy ny fifidianana 2018. Izay no mampiezaka mafy an’i Hery Rajaonarimampianina mitokan-javatra etsy sy eroa. Ny kapa ranjo ara-politika mandeha ihany. Mety hitombo ny isan’ireo hopotehina, ka anisany ny pasitera Mailhol, izay efa nisy resaka fa notambazan’ny HVM vola 5 miliara ariary mba tsy hirotsaka amin’ny taona 2018, fa nanda.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.