Politique

Rajaonarimampianina Propagandy no mahamaika azy


  • Zoma 10 Febroary 2017

Sesilany ny olana eto amin'ny firenena amin'izao fotoana izao. Zara raha mandeha ora vitsy isan'andro ny herinaratry ny jirama. Mandindona andro aman'alina ny fiakaran'ny vidin-tsolika.

Miakatra ny vidin'entana ilaina andavanandro. Tsy hay izay haloaky ny fotoam-pahavaratra... Efa manomboka tezitra ny vahoaka amina faritra maro, ary tsy ho ela dia hisy ny fipoahana ara-tsosialy, raha dinihina amin'ny fihetsiky ny olona amin'izao fotoana izao. Raha nangina sy niaritra hatrany ny delestazy, ohatra, ny olona dia efa raikitra ny fidinana an-dalambe ho fanairana ny tompon'andraikitra. Ny tena loza anefa dia toa tsy mba mahataitra ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina izany. Tsy hita tabilao izy manoloana ny olana goavana mianjady amin'ny firenena, fa toa zavatra hafa hatrany no mahamaika azy. Na any ivelany na manao zavatra tsy dia laharam-pahamehana loatra manoloana ny fahasahiranam-bahoaka. Fitsidiham-paritra sy fihetsika miendrika propagandy mialoha ny fotoana aza no ataony amin'izao fotoana izao, fa izay hamaha ny olana aloha dia toa tsy mba ao anaty programa. Raha ny vaovao azo mantsy, dia hanao fitsidiham-paritra any Matsiatra Ambony any amin'ny kaominin'i  Talata Ampano ny tenany anio, ary efa ela no nentanina hanatrika izany ny olona any aminan-toerana, mba hihaino izay ambaran'ny filoha. Efa maro ihany anefa izay kabary natao izay fa toa vao miha sahirana ny firenena, miha mahantra ny olona, mitombo ny kolikoly sy ny famotsiambola, mitohy ny trafikana boaderozy. Fa mbola misy mpitondra ihany ary ve eto e ?

 Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT