Nanararaotra ny fitokanana ny « centre d’urgence civile » tao Barikadimy Toamasina omaly ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina mba hamaliana bontana ireo manakiana azy sy nitondrany ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena.
Tsy izaho velively no fototry ny olana ka nahatonga izao fahantran’ny Malagasy izao fa ireo savorovoro politika avy amin’ny fanonganam-panjakana nifandimby teto amin’ny firenena hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena, hoy izy. Aoka izay ny resabe, tsy fotoan’ny fanakianana sy fifanenjehana intsony izao fa efa fifanomezan-tanana, hoy i Hery Rajaonarimampianina. Niantso ny rehetra izy, eny fa na ny mpanohitra aza mba hiara-kiasa aminy ho amin’ny fanarenana ny firenena. Tsy maintsy miray hina isika raha te hivoaka sy handresy ny fahantrana, hoy hatrany ny filohan’ny repoblika.
Mila vonjy
Mazava ny resaka eto fa sady nanadio tena indray no niaiky ny tsy fahafahany manarina irery an’i Madagasikara i Hery Rajaonarimampianina sy ny HVM. Tsy dia vaovao izany fa efa fantara hatry ny ela ihany, saingy ny nanahirana dia ny fihetsika feno avona sy fanaparam-pahefana ataon’ity fitondrana HVM ity. Misy eto ny olona, vondron’olona, antoko politika, fikambanana, orinasa tena te hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanampiana ny Malagasy sy ny fanarenana ny firenena saingy iharan’ny antsojay sy ny don-tandroka. Ny mpandraharaha vahiny hatrany no toa mahazo vahana amin’ny famaritana tany sy ny fananganana orinasa fa ny Malagasy mitsimpona izay sombintsombiny latsaka. Fa ankehitriny, tampina ny daomy, manidy poketra ny mpamatsy vola dia io mila vonjy io ingahy filoha. Sa paikady politika indray mba entina ilazana fa mpampihavana ny filoha no anton’izao antso tany Toamasina omaly izao ? Ny toky fitaka, fa ny atao no hita. Andrasana izay fanatanterahana ny antso. Hanaiky hihaona amin’ireo mpanao politika mpanakiana azy ve ary hiresaka an-databatra i Hery Rajaonarimampianina ? Hamela ny orinasa Tiko hiasa an-kalalahana ve ? Handray fepetra momba ireto vahiny maka tanin’olona etsy sy eroa amin’ny fomba tsy mazava ireto ve ? Ho sahy hampihatra ny lalàna amin’ireo manampahefana fantatra fa mpanao afera maizina sy manao kolikoly ve ny filohan’ny repoblika ? Ireny mantsy no tena mpamorona krizy eto amin’ny firenena koa ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.