Niraradraraka ny fizarana kintana ho an’ireo manamboninahitra ao amin’ny foloalindahy omaly alatsinainy 19 desambra 2016 nandritra ny filankevitry ny minisitra notanterahana teny Iavoloha. 62 no lasa manamboninahitra jeneraly ka ny 17 kolonely nasondrotra ho general de brigade, nahazo ny galona general de division kosa ny 45.
Singanina manokana ireo jeneraly efa mitazona andraikitra ka nitombo grady, anisan’ireny ny jeneraly Florens Rakotomahanina lehiben’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena ho an’Analamanga. Tsiahivina fa ny taona 2014 dia mbola kolonely ity manamboninahitra ity. Roa taona aty aoriana dia efa general de division sahady. Nahazo izany galona kintana 3 izany koa ny jeneraly Ramiandrisoa Jean de Dieu Daniel komandy ambonin’ny zandarimariam-pirenena sy ny jeneraly Rakotoarison Alphonse Anthony misahana ny fanangonam-baovao sy ny serasera ao amin’ny zandarimariam-pirenena. Nitombo grady koa ny jeneraly Rakotonarivo Rivo Mpanjato, talen’ny kabinetran’ny praiminisitra. Fahefan’ny filohan’ny repoblika moa ny manome ny galona ho an’ireo manamboninahitra jeneraly. Mazava izao fa sady nankasitraka ireo jeneraly niasa mafy niaro azy ny fitondrana HVM no efa manomana sahady ny ho avy ihany koa ka manambitamby ny foloalindahy amin’ny alalan’ny fampisondrotana grady. Isaky ny alarobia no fanatanterahana ny filankevitry ny minisitra hatramin’izay saingy naroso omaly alatsinainy tamin’ity herinandro ity.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.