Politique

Rajaonarimampianina Nandeha an-tsokosoko tany Afrika Atsimo


  • Alakamisy 02 Novambra 2017

Tsy nisy fampandrenesana, tsy nisy fampitam-baovao ofisialy fa dia efa ny sary nivoaka no nahafantarana fa hay any Afrika Atsimo ny filoha Hery Rajaonarimampianina.

 

 Nihaona tamin’ny filoha Afrikanina tatsimo Jacob Zuma tao amin’ny lapam-panjakana Genadendal – Cape Town izy omaly, fihaonana tamim-pirahalahiana tokoa. Raha ny fampitam-baovao tselatra nataon’ny fiadidiana ny repoblika Afrikanina Tatsimo dia fihaonana eo amin’ny filoha am-perinasan’ny SADC Jacob Zuma sy ny filoha Malagasy Hery Rajaonarimampianina ity nitranga ity. Tsy misy mahafantatra izany ny eto Madagasikara, eny fa na dia ny mpitondra fanjakana ambony sasany nezahana nanontaniana omaly hariva aza. Inona no tena anton-dia ? Inona ny votoatin-dresaka ? Tsiliantsofina fotsiny no nahafantarana fa fanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta izy ity ary fanamafisana ny fiantsoana ireo mpandraharaha afrikanina tatsimo taorian’ny fihaonana natao tany an-toerana ny 14 sy 15 jona lasa teo. Efa-bolana aty aoriana mantsy tsy hita ihany ny tetikasa ketrehan’ny mpandraharaha Afrikanina Tatsimo eto. Eo amin’ny lafiny ara-politika dia samy filoham-pirenena miteraka resa-be ao amin’ny firenena tantanan’izy ireo avy Hery Rajaonarimampianina sy Jacob Zuma. Efa fantatra ny hadalan’ny HVM eto Madagasikara sy ny hasosoran’ny Malagasy aminy ary ny resa-be noho ny raharaha kolikoly sy fanamparam-pahefana mampalaza ny olona ambony maromaro eto. Any Afrika Atsimo dia voatonontonona amina raharahana kolikoly avo lenta ihany koa ny filoha Zuma ary voalaza fa na ny antokony ANC aza dia efa tsy dia mankasitraka azy firy intsony ho filoha mpitarika. Hiatrika kongresy amin’ny volana desambra ho avy io ny antoko ANC ka efa mandeha ny feo fa mety tsy hotazonina ho filoha intsony ingahy Zuma noho ny raharaha hafahafa maha voatonona ny anarany sy ny fianakaviany. Raha tsorina, resaky ny samy sahirana na resaky ny samy resy mihitsy no nitranga tany Cape Town omaly, ary mbola ao anatin’ny manjavozavo ihany koa. Re fa mialoha io diany io dia mbola nandalo tany Paris ny filoha Rajaonarimampianina. Tsy hay na nanao inona no nataony tany.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT