Sahia mandray andraikitra ianareo mba hampisinda ny ahiahy sy ny fanakianana avy amin’ny fiarahamonina momba ny fitsarana. Io no tenin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina nandritra ny fihaonany tamin’ireo mpikambana avy ao amin’ny filankevitra
ambonin’ny mpitsara (CSM) teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny sabotsy lasa teo. Nanozongozona ny fisian’ny fanjakana tsara tantana sy ny fiarovana ny vahoaka ny zava-nitranga tato anatin’ny taona vitsy izay teto amin’ny firenena, hoy ny filoha Rajaonarimampianina ka tokony ho sahy hijoro handray andraikitra ny mpitsara ary hampiseho fitiavan-tanindrazana. Tonga ny fotoana hanavahana tsara ny lasa, ny anio ary ny ho avy, hoy izy, ary adidin’ny tsirairay ny mandray lesona avy amin’ny zavatra niainany. Adidinareo mpitsara ato amin’ny CSM, hoy i Hery Rajaonarimampianina ny mandrindra ny asa tsy maintsy ataon’ny mpitsara sy ny fanatsarana ny tontolo iasan’izy ireo. Hentitra ny filoha raha nanambara fa tsy maintsy mampanaja sy mampihatra ny lalàna ny mpitsara, manaraka ny marina, ny rariny sy ny hitsiny na dia eo aza ny fanajana maneho hevitra ho an’ny isam-batan’olona. Namarika ny filoham-pirenena amin’ny maha filohan’ny filankevitra ambonin’ny fitsarana azy fa maromaro ny teboka tsy maintsy dinihana amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny asan’ny fitsarana. Nitarika ny delegasionin’ny CSM nihaona tamin’ny filoham-pirenena teny Iavoloha ny sabotsy teo moa ny minisitry ny fitsarana Rasolo Elise Alexandrine sy ny sekretera jeneralin’ny CSM Andriamahavory Christian. Sampandraharaha anisan’ny voasokajy hanjakan’ny kolikoly ny fitsarana eto Madagasikara. Maro be ny olona mitaraina noho ny didim-pitsarana heverin’izy ireo fa tsy rariny sy tsy araka ny lalàna manankery eto. Mampimenomenona ny olona koa ny hoe : f’angaha natao ho an’ny manam-bola ihany ny fitsarana fa rehefa sahirana dia tsy mahazo rariny mihitsy. Firifiry ny olona fantatra sy azo porofo fa nandroba harem-pirenena, nanao trafika avo lenta narahana kolikoly goavam-be kanefa toa afaka madiodio na afaka noho ny fisalasalana fotsiny rehefa tonga eny amin’ny fitsarana. Inona no tena hevitry ny filoham-pirenena amin’ilay hoe : « sahia ianareo mandray andraikitra » ? Fanambarana tena hanova endrika ny fitsarana tokoa ve ka ho sahy hamoaka didy tsy misy teritery na teny midina ny mpitsara sa mba kabary fampandriana adrisa sy fanatsarana resaka tahaka ny fanao hatrizay fotsiny ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.