Politique

Rajaonarimampianina Nanangam-bovona tany Brickaville


  • Alatsinainy 22 Janoary 2018

Ny sabotsy teo tany Brickaville nandritra ny fitsidihan’ny filoha ireo traboina tany an-toerana, dia namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety mikasika ny raharaha Houcine Arfa Atoa Rajaonarimampianina Hery.

 “Matoky ny mpiara-miasa amiko aho. Amin’ny maha filoham-pirenena ahy dia ny Malagasy toy ahy no inoako, satria raha ny zava-misy dia tsy milaza ny tena marina iny teratany frantsay iny, izay tsy vitan’ny nanao heloka bevava fa mbola nitsoaka ny fonja ihany koa”, hoy ny filoha. Nomarihany fa “tsy vitan’ny efa gadra nitsoaka nampiasa ny kolikoly izy fa mbola manimbazimba ny fiandrianam-pirenena sy ny vahoaka malagasy ary ny fitsarana mahefa eto amintsika ihany koa. Efa nandray ny fepetra rehetra mikasika iny raharaha iny ny fanjakana ka handrasantsika ny tohin’ny raharaha”. Tsy nanambara mazava kosa i Hery Rajaonarimampianina hoe tsy nifandray sy tsy niresaka mihitsy tamin’i Houcine Arfa, na dia iray minitra monja aza. Tsiahivina fa ny gazety Tia Tanindrazana no namoaka voalohany ny fisian’ity teratany Frantsay metisy Alzeriana ity ary ny fifandraisany tamin’ny  filoha, tamin’ny taon-dasa.


 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT