Politique

Rajaonarimampianina Nampitandrina ireo fonksionera kamo miasa


  • Alakamisy 05 Janoary 2017

Farafangana no faritra voalohany notsidihan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina tamin’ity taona 2017 ity.Tany an-toerana izy omaly ary nahazo ny tso-drano sy ny fanohanan’ireo Ampanjaka avy amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany sy ny faritra Atsimo atsinanana

 

.Nilaza moa ireto ray aman-dreny ara-drazana ireto fa manohana ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka.Nanome moto sy fitaovana ho an’ireo Cisco sy Dren any an-toerana moa ny fitondam-panjakana io omaly io; nilaza ihany koa i Hery Rajaonarimampianina fa atsaraina ny zotran-dalamby Fiuanarantsoa Cote Est, ho tohizana ny fanamboarana ny lalam-pirenena RN12A mampitohy an’i Vangaindrano sy Tolagnaro ary hisy atsy ho atsy ny fananganana ozinina mpamokatra herinaratra azo avy amin’ny zavamaniry ao Farafangana.Efa azontsika izao ny vola fanampiana hoy ny filoham-pirenena ka tokony samy handray andraikitra ny tsirairay ary hiasa.Niantso ny rehetra mba hanaja ny manampahefana solotenam-panjakana sy ireo ray aman-dreny ara-drazana ny filoha tany Farafangana mba hisian’ny fitoniana; nampitandrina ireo mpiasam-panjakana manaotao foana ihany koa izy, aoka mba hiverina anaty vala sy hanaraka tsara ny toromarika ianareo ho izy.Mihetsiketsika fatratra i Hery Rajaonarimampianina ary mampiasa izay rehetra eo am-pelatanany mba hambaboany ny fon’ny vahoaka sy hanomanana ny fifidianana manaraka eo.Hita taratra tamin’ny kabariny omaly ihany koa fa tsy hitsitsy ireo ao anaty fanjakana ka manondrana na tsy manaraka ny baiko sy toromarika ny filoham-pirenena.Voapaingotra manokana eto moa ireo mpitarika sendika sy izay mety manana eritreritra hafahafa any anaty ministera sy andrim-panjakana any.Mazava koa izao fa hampiasa ireo ray aman-dreny ara-drazana isam-paritra mba hanamafisany ny fahefany sy hifehezany ny tany sy ny fanjakana ny filoha Rajaonarimampianina satria mety efa tsapany ihany fa sempotra ny mpitandro filaminana ka tsy dia azo ianteherana firy intsony.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT